Voasambotry ny zandary mpanao fisafoana, omaly, teny Faravohitra, Ra-Gista. Mpamaky trano gagilahy sady mampikaikaika ny mponina eny amin’ny manodidina izy. Omaly, nisy nahita teo am-panaovana ny asa ratsiny ny lehilahy. Nampandrenesina avy hatrany ny zandary ka tonga tsy nisy hatak’andro. Vokany, tratra ambodiomby ilay jiolahy ka dia noraisim-potsiny. Taorian’io, natolotra ny polisy ao amin’ny kaomisaria boriborintany faharoa izy natao famotorana. Nanamafy ny zandary fa miara-misalahy hatrany amin’ny fisafoana ny zandary sy ny polisy eny an-kianja. Atao izany ho fisorohana ny fandikan-dalàna. Nambarany fa tsy misalasala mandray andraikitra ihany koa izy ireo raha misy tranga hafa ahina.
Henintsoa H.