Fifanintsanana Can 2024 : milalao anio i Centrafrique sy i Madagasikara

Raikitra ny baolina, hifandona amin’ny Barean’i Madagasikara ny les Fauves avy any Centrafrique, anio. Lalao tafiditra amin’ny andro fahatelo ny fifanintsanana Can Côte d’Ivoire 2024.

Tonga ny fotoana nandrasan’ny mpakafy baolina kitra malagasy. Hi­fanandrina amin’ny les Fauves Centrafrique ny Barean’i Ma­dagasikara. Lalaon’ny andro fahatelo amin’ny fifanintsanana Can Côte d’Ivoire 2024, izay hotanterahina anio eny amin’ny kianjan’ny Barea Mahamasina. Samy manana isa iray ny roatonta, saingy resy amin’ny fidiram-baolina na “goal average” ny ekipa malagasy. “Tsy afaka ny ha­maritra ny tena fahaizan’ny Barea izahay, saingy manana mpilalao tsara izy ireo. He­verina fa ho toy ny lalao famaranana ny fihaonana rahampitso satria samy hiezaka ny handresy ny roatonta. Manana mpilalao tsara miisa 25 aho, ary vonona ny hampiseho ny fahaizany ry zareo.” hoy i Savoy Raoul, mpanazatra Les Fauves, nandritra ny vala-dresaka natao tamin’ny mpanao gazety omaly, teny Mahamasina. Taorian’io dia naneho ny heviny i Nicolas Dupuis, teknisianinan’ny Barea : “ Hiezaka hanome ny lalao tsara ho an’ny vahoaka malagasy rehetra izahay. Eki­pa manana traikefa ny les Fauves saingy misy singa iray azo hanoherana azy tsara. Manana mpilalao sangany toa – ndry Kondogbia Geof­frey ry zareo, fa efa vonona avokoa ny mpilalao hitazona azy tsara. Mahatoky tena sy vonona aran-tsaina izaho sy ny mpilalao malagasy.”
Andrasan’ny malagasy rehetra ny handresen’ny Ba­rea anio. Araka ny fanazavana nataony teo anivon’ny Fede­rasiona Malagasy ny baolina kitra (FMF) dia hianga rahampitso hihazo ny Kameronina Douala ny Barea, hanantanteraka ny lalao miverina hotontosaina ny alatsinainy 27 marsa ho avy izao, amin’ity fifanintsanana ity. Marihina fa mpitsara Roandey 4 no hitantana ny fifanandrinan’ny roatonta. Manana fanantenana ny hanao Can 2024 ny ekipa ma­lagasy, raha toa ka mandresy ny les Fauves amin’ireo fihaonana roa.

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: