Fijery miabo sy fandresena 

Migadona anio ny andro malaza ! Hiakatra kianja indray ny ekipam-pirenena amin’ny taranja baolina kitra, sokajy zokiny na ny Barea sokajy A. Hampiseho firaisam-po sy fifankatiavana indray ny Malagasy tsy vakivolo. Samy miara-mirona ny olom-pirenena rehetra na andrenivohitra na any ambanivolo. Hirodorodo isika hanosika ny « omby masiakantsika ». Hanao angaredona sy hanandram-peo ho fampirisihana ny mpilalao eny ambony kianja. Ho porofoina fa mpilalao faha-12 ny mpijery baolina. Hifanentana ny isan-tokantrano sy isan-tanàna amin’ny fandefasana onja miabo ho an’ny ekipa.
Iraha-mahalala, anisan’ny raharaham-pirenena. Manana ny anjara toerany lehibe amin’ny fiarahamonina malagasy ny « fanahy Barea ». Mizara angovo sy mampitsiry fanantenana amin’ny vahoaka izay efa latsaka anaty kirizy sosialy tena lalina. Ny 90 minitra hiakaran’ny mpilalao eny ambony kianja, 90 minitra hanadinoana ny adim-piainana ihany koa. Fotoana mampiakatra ambony ny hambom-po maha olombelona aloha, avy eo ny maha mponin’i Madagasikara. Fotoana mampiredareda ny fitiavan-tanindrazana madio any anatin’ny fon’ny tsirairay.
Manoloana izany, mitaky fahamendrehana, toetra tsy manaiky lembenana sy tsy kivikivy raha misy ny lesoka sy ny tsy fietezan’ny lalao eny ambony kianja. Malagasy tsy ho sakaizan’ny mpandresy. Mpiray tanindrazana resy lahatra fa ny fifanohanana hatramin’ny farany no antoky ny fahombiazana. Andrasana eny Mahamasina ny mpijery baolina matoky ny fahaizan’ny ekipam-pireneny.
Mitaky fahaiza-manao avy amin’ny mpilalao ny fanantenan’ny mpijery baolina eny Mahamasina sy ny any an-tokantrano, manaraka lalao amin’ny fahitalavitra. Tsindry iray hafa, amin’ny mpanazatra sy ny mpiandraikitra ny lafiny teknika izany. Tsy ny fandresena ihany no mila tantanana, tsy maintsy tomorina akaiky ny fomba hanomezana fahafaham-po ny mpankafy baolina kitra. Mila fifehezan-tena sy fahamatorana lehibe ny lalao atao anio sy amin’ny herinandro ambony. Mitaky fanajana ny lamina sy ny fitsipi-pitondrantenan’ny tsirairay aloha, ny an’ny ekipa sy ny mpanazatra avy eo.
Adin’ny Malagasy tsy vakivolo no hatrehina anio, eny Mahamasina. Fanamby tsy tokony ho hamaivanina na inona na inona odidina sy sakantsakana misy. Ilay fitiavan-tanidrazana sy ny hambom-po no mibaiko ny vokatra tadiavina anio. Torak’izany ny lalao miverina, afaka andro vitsy any Cameroun. Dingana roa miantoana, iankinan’ny hoavin’ny ekipam-pirenena zokiny.
Iza no tsy mbola manonofy ny hiverenan’ireny hafanam-po sy fientanentan’i Madagasikara iray manontolo ireny, raha tafakatra ampahefa-dalana isika ny taona 2019 ? Iza no tsy nahazo tsirony raha tafakatra tany amin’ny lalao manasa-dalana isika vao volana vitsy lasa izay, tamin’ny lalaon’ny CHAN, notanterahana tany Alzeria ? Tsy misy ny sakana raha ao ny finiavana handresy avy amin’ny ekipa. Eo indrindra anefa ny fahatokisan’ny mpankafy ny Barea sy fananana fijery miabo hatrany. Tsy misy toerana ho an’ny resy tsy miady izany ao anatin’ny fifaninana tahaka itony !

r.r

Partager sur: