Ankoatra ireto 11 voasambotra, izay mandrafitra ny Fikambanana Liandra Mahery ao Toamasina ireto, ao anatin’ny fikarohana ny naman’izy ireo ny polisy ao Toamasina. Mbola samy mpianatra ao Mangarano II avokoa…
Tohivakana ny fisamborana! Tovolahy ao anatin’ny fahatanorana 11 no indray voasambotry ny polisy tao Mangarivotra Avaratra Toamasina, nanomboka ny sabotsy 18 marsa ka hatramin’ny 21 marsa 2023 teo. Voarohirohy ho isan’ny tompon’ antoka tamin’ny raharaha herisetra eny an-dalambe miampy fandratrana olona. Nanao hetsika ny polisy tao Toamasina fa malaza ratsy sady mirongatra ny herisetra ataon’ ireo andiana tanora marobe ao Toamasina na “foroches”, indrindra ao amin’ny faritra Mangarivotra. Malaza mihitsy noho ny fanakorontanana miampy herisetra amin’ny olona mifanena aminy ry zalahy. Mitondra antsilava ry zareo rehefa manatanteraka ny asa ratsiny. Notazonina ao amin’ny kaomisaria boriborintany faharoa ao Mangarano izy ireo. Ny talata teo, voasambotra koa ny tovolahy iray hafa mpitarika ireo andian-jatovo mpisetrasetra ao Toamasina ireo. Voamarina izany tamin’ny alalan’ny kappa nanaovany hadinony niaraka tamin’ireo namany tratra. Fantatra nandritra ny fanadihadiana fa mbola mpianatra ao Mangarano II daholo ireto tovolahy voasambotra ireto. Eo am-panaovana famotorana ny polisy amin’izao fotoana izao ka aorian’izay no hamantarana ny marina rehetra ny antony mahatonga izao asa mahatsiravina mampihorohoro ny mpiara-monina izao.
Jean Claude