Fikaroham-bahaolana : nampahafantatra ny Antenimiera ny fihaonambe hataony ny FFKM

Miroso tsikelikely ho any amin’ny fikaroham-bahaolana manoloana ny fifidianana. Noraisin’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena, Razanamahasoa Christine, teny Tsimbazaza, omaly, ireo solontenan’ny birao foiben’ny FFKM. Anisan’ny nifampiresahana tamin’izany ny nampahafantaran’ireto lohandohany eo anivon’ny fioben’ny fiangonana efa-tonta ireto ny hirosoan’ny FFKM, amin’ny fihaonambe na fikaonandoham-pirenena.
Efa tafiditra ao anatin’izany ny handraisana eto Antananarivo ilay fihaonambem-paritany eo anivon’ny fiangonana, hatao amin’ny herinandro ambony iny. Hamoriana ireo mpitarika sy mpikambana eny ifotony, amin’ny alalan’ny faritany FFKM. Anisan’ny hodinihina amin’izany ny fiainana anatin’ny fiangonana efa-tonta, ny sosialy, indrindra ny zava-misy eny ifotony ary koa ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny.

Ho mpanatrika ny FFKM

Eo koa anefa ny fandraisan’ny FFKM anjara amin’ilay fikaonandoha iarahana amin’ny Ceni, hotanterahina rahampitso ka hiresahana ny momba ny fikarakarana sy ny fanomanana ny fifidianana. Mpanatrika fotsiny anefa izy ireo amin’izany na efa hanana mpanara-maso ny fifidianana, Andrimaso FFKM aza.
Tsiahivina fa efa nandray ireo tomponandraikitra samihafa ireo filoham-piangonana efatra mirahalahy, ny herinandro teo. Anisan’izany ny avy amin’ny Pnud sy ny Pr Ranjeva Raymond ary ny ambasadaoro Frantsay.
Midika izany fa tsy mandeha ho azy izao fifanatonana etsy sy eroa izao.

Synèse R.

Partager sur: