Filoha nasionalin’ny MMM: “Tsy atao sakana ny fahasamihafana”

Niarahaba noho ny fahatongavan’ny taombaovao ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga, An­dria­nainarivelo Hajo, omaly. Nambarany fa mikendry fiombonana sy firaisankina ny asaramanitra koa arahabaina ireo mandala izany, amin’izao taombaovao izao. “Tsy ataontsika sakana hifampirariana soa ho an’ny isan-tokantrano ary hananganana firenena feno fihavanana ny fahasamihafana”, hoy izy. Nirariany soa mba ho amintsika tsirairay avy ny andon’ny lanitra sy ny tsiron’ny tany.
Tsiahivina fa niresaka tamin’ireo mpiofana ao amin’ny “Grand Séminaire Théolo­gi­que” eny Ambatoroka ny herinandro teo ny tenany. “Manana zotom-po, ary ma­nan-kevitra ry zareo amin’ny fanabeazana ny olom-pirenena. Andraikitry ny fiangonana rahateo izany”, hoy izy.

Hamolavola olom-pirenena
Nampitainy tamin’izany fa manana adidy hamolavola olom-pirenena izy ireo mba ho tia ezaka sy tia karokaroka. Mahaleo tena, tompon’andraikitra na tsy mandray anjara mivantana amin’ny fitantanana ny firenena aza, ho fanajana ny maha lahika ny fanjakana.
Anisan’ny nifampizarana tamin’izany ny fitsinjaram-pahefana sy ny fiangonana ka nizaran’ny mpanorina ny MMM ny fotokevitra ijoroan’ny MMM “Doctrine”. Tsy afa-misaraka amin’ny maha demokraty ny antokon’izy ireo ny fitsinjaram-pahefana. “Mahatonga anay ho mikambana eo anivon’ny Internationale Démocrate-Centriste – IDC izany”, hoy izy.

Synèse R.

Partager sur: