FIM 2023 : hiompana amin’ny fanajana ny tontolo iainana

Hotanterahina ny 11 ha­tramin’ny 14 mey izao, etsy amin’ny Forello Tanjombato ny Foire Internationale de Madagascar (FIM), andiany faha-17. Hiompana amin’ny fanatsarana sy fampahafantarana ny zava-misy momba ny fanajana ny tontolo iainana maharitra ny hetsika, raha ny nambaran’ny mpikarakara. “Hisy fampirantiana ma­neho izany eny an-toerana mba hanentanana ny rehetra handray andraikitra amin’ ny fikolokoloana ny tontolo iainana”, hoy ny mpikara­kara ny hetsika sady mpandraharaha, Ramanantsoa Harilala.
Manana anjara andrai­kitra ny tsirairay hanaja sy hikolokolo ny tontolo iombonana. Toy ny tsy fanariana fako eny an-dalambe. Ny fi­tsitsiana rano ampiasaina any an-trano ary ny fampihenana ny fampiasana ny arina fandrehitra… Hisy ny fanentanana ny olona hanaja sy hanaraka izany mba ho soa iombonana, raha ny fa­nazavany. Nohamafisiny fa efa fanajana ny tontolo iainana ny tsy fanaovana ireo. Nilaza izy fa ho fitaratra amin’ny fanentanana ny olona hiaro sy hikolokolo ny tontolo iainana eto amin’ny ranomasimbe Indianina ny tanjon’ny hetsika FIM.

Hisokatra amin’ny any ivelany

Misedra olana ara-toekarena ny firenena malagasy sy ny mpandraharaha misy eto Madagasikara. Fotoana iray hahafahan’izy ireo mam­pahafantatra ny vokatra vo-kariny, mitady lalam-barotra vaovao sy hisokafana amin’ ny any ivelany io, ary hifandraisan’ny samy mpandraharaha ihany koa. “Miso-katra ho an’izao tontolo izao ny vokatra vita malagasy” ny teny filamatry ny FIM. Marihina fa niresaka tamin’ ny mpanao gazety tetsy An­taninarenina ny tomponandraikitra mpikarakara ny hetsika, omaly. Eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Tontolo iainana ny hetsika.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: