Fitantanana eny ifotony: hofanina ireo vehivavy ben’ny Tanàna

Haharitra hatramin’ny rahampitso ny fanofanana ireo vehivavy ben’ny Tanàna, etsy Amparibe. Tafiditra amin’ny fiofanana ny fitantanana sy ny vola eny anivon’ny kaominina.

«Miainga amin’ny zava-misy eo anivon’ny kaominina ny fanofanana. Ani­san’izany ny momba ny fitantanana ny mpiasa, ny fampidiran-ketra, ny tetibola sy ny fandaharanasa», hoy ny tale jeneralin’ny Ivontoeram-pirenena ho an’ny fitsinjaram-pahefana sy ny fampandrosoana eny ifotony (INDDL), i Said Ahmad Jaffar. Nanokatra izany fiofanana izany, nisolo tena ny minisitra ny tenany. Nambarany fa homena tantsoroka izy ireo satria maro ireo ben’ny Tanàna, voarohirohy amin’ny fitantanana ka anisan’ny zava-dehibe ny fa­nofanana tahaka izao. “Aha­fahan’ireo ben’ny Tanàna mi­fehy ny fitantanana sy ny asany izany. Tsy misy rahateo ny sekoly ho an’ny mpitantana eny ifotony”, hoy ihany izy.

Misedra olana…

Anisan’ny nambaran’ireo vehivavy ben’ny Tanàna ny olana sedrain’izy ireo, arakaraka ny kaominina. Anisan’ izany ny fahatapahan’ny lalana sy ny fahasimban’ny fotodrafitrasa ary koa ny tsy fahampian’ny vola na efa nampitomboina ho 30 tapitrisa Ar aza ny vola fanampiana ny eny ifotony. Na izany aza, misongadina ireto vehivavy ben’ny Tanàna ireto fa efa nahaloa ny karaman’ny mpiasa eo anivon’ny kaominina tantaniny avy izy ireo.
Tsiahivina fa andiany voalohany izao miofana izao ka miisa 61 izy ireo ary avy amin’ny faritra 13, ahitana an’ Ana­lamanga, Bongolava, Dia­­na, Sofia, Itasy, Melaky, Menabe, Vakinankaratra, Alao­tra Mangoro, Analanji­rofo ary Atsinanana.
Hotanterahina amin’ny manaraka kosa ny andiany faharoa ho an’ireo vehivavy ben’ny Tanàna any amin’ny faritra amin’ny tapany atsimo ka hatao any Ihorombe izany, amin’ity taona ity ihany.

Synèse R.

Partager sur: