Nisy ny atrikasa ho an’izay lina te hahay sy hiantsehatra eo amin’ny karazana hatsikana “Stand up”, omaly, teny amin’ny “Kinga”, Mahamasina. Ny fikambanana “Komedy Club” no nikarakara ity hetsika ity. Fampianarana mahakasika ny “Stand up” no nameno ny fandaharam-potoana ny tapany maraina. Seho an-tsehatra nanehoan’ireo nianatra izay nampitaina taminy kosa no natao ny tolakandro. Manomboka maka laka tsikelikely eto amintsika ity karazana hatsikana ity, raha vao haingana tokoa no nidirany teto Madagasikara.
Fifangaroana talenta vaovao sy tranainy, teo amin’ny fanaovana “Stand up” no hita teny amin’ny Kinga, Mahamasina, omaly. “Comic’out” no anarana nampitondrain’ny mpikarakara ny hetsika. Raha tsiahivina, karazana hatsikana tsy ampiasaina fitaovana, na inona na inona, ny Stand up. Ao anaty fotoana voafetra no hanaovana azy, ary ny mpijery no mitsara azy eo ampahavitan’ny seho. Tonga nanafana ny seho teny an-toerana ireo efa kalaza sy manana ny maha izy azy eo amin’ny fanaovana “Stand up”, sahala amin’i Aina Maharavo. Hisy hatrany ny hetsika hatao, hanomezana sehatra ireo vao misandratra eo amin’ity taranja ity. Tanjona ny fampiroboroboana ny “Stand up” eto amintsika.
Lin (Mpianatra asa)