Maty voatifitry ny zandarimariam-pirenena avy ao Ambatolampy, ireo jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana any an-toerana. Ny zoma teo, nahazo loharanom-baovao ny mpitandro filaminana fa mikasa hanao ny asa ratsiny ireo jiolahy. Araka izany, napetraka ny vela-pandrika rehetra. Niambina ny kizo mety ho lalan’ny olon-dratsy ny zandary. Tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany hariva, nifanehatra tao amin’ny fokontany Andafiatsimo ny roa tonta. Raikitra ny fifanjevoana. Lavo tamin’izay ny dahalo iray raha nitsoaka kosa ireo namany. Azo teny aminy ny basy vitagasy iray sy basy poleta iray hafa. Fantatra fa isan’ireo nanafika tany Tsiafajavona Ankaratra, ny 11 marsa teo, ireo jiolahy nifandona tamin’ny mpitandro filaminana ireo. Mbola saika hamerina ny asa ratsiny izy ireo saingy nifanehatra tamin’ny zandary. Ny ampitson’io, niafina tao anaty alan-kininina tsy lavitry ny CEG Ambatomena, fokontany Tsiafajavona, ny malaso. Vokany, tonga faingana namonjy izany ny zandary. Nitsoaka anefa ny jiolahy ka tavela teo ny bisikileta nentiny. Raikitra ny fanenjehana. Nandritra izay, nampitandrina ireo malaso ny mpitandro filaminana saingy nanda sy nanohy ny diany izy ireo. Araka izany, voatery nitifitra ny zandary ka voa ny jiolahy iray nitondra basy. Naratra mafy izy ka nentina teny amin’ny hopitaly saingy namoy ny ainy. Ireo namany kosa nitsoaka nandositra. Fantatra avokoa ny mpiray tendro taminy. Voalaza tamin’izay fa nampitondra faisana olona nandritra ny dimy taona tany amin’ny faritra Kiranomena Tsiroamandidy ny tenany.
Henintsoa Hani