Jiolahy avy nanendaka : tratra tamin’ny vela-pandriky ny polisy

Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny faritra DIANA, ny talata teo, tao amin’ny fokontany Tanambao IV, ny jiolahy iray avy nanendaka olona. Ny alahady alina teo, lasibatr’ity olon-dratsy ity sy ny namany roa hafa ny lehilahy hamonjy fodiana tsy lavitry ny “grand pavois”. Samy nitondra zava-maranitra izy telo lahy ka nanatona ilay lehilahy. Voaendaka izy sady voaroba tamin’izay ny finday teny aminy. Ireo jiolahy kosa nirifatra nitsoaka taorian’io. Etsy ankilany, nanatona kaomisaria ilay lasibatra sady nitantara ny zava-nisy rehetra. Nametraka fitoriana ny raharaha ihany koa izy. Natao ny vela-pandrika ka tra-tehaka tamin’izay ny tompon’antoky ny asa ratsy. Taorian’izay, nentina teny amin’ny biraon’ ny polisy ny tenany ary natao fanadihadiana. Nambarany fa mipetraka any Antanampi­si­tasy izy saingy tonga manao ny asa ratsiny any amin’ny fokon­tany Tanambao IV. Amin’izao, mbola karohina ireo mpiray tsikombakomba aminy. An­koatra ity, voasambotry ny polisy afakomaly ireo roa lahy mpivarotra entana halatra ao Bazarikely-Antsiranana. Na­hazo loharanom-baovao ny polisy fa mivarotra entana tamina trano avy novakiany ireto jiolahy. Vokany, nidina ifotony nanamarina ny vaovao ny mpitandro filaminana ka tratra ambodiomby tokoa ireo jiolahy. Mbola nahitana antsy lavalela iray, finday sy poketra ary zavatra samihafa maro teny amin’izy ireo. Amidiny eo an-toerana ireo entana halatra rehetra ka izao tratra izao avokoa. Mbola hatao fanadihadiana ireto voasambotra mialohan’ny hanolorana azy eny amin’ny fitsarana.

Henintsoa H.

Partager sur: