Lydie Ratefiarison – « Tsara hira tsara mozika »: « Hampitomboina ny fahalalana ny hira bagasy

Iray amin’ireo mampiavaka ny hira malagasy ny bagasy. Na izany aza, mbola vitsy ihany
ny mahafantatra azy ity. Ho fanarenana ny lesoka, hisy ny fifaninanana « Tsara hira tsara mozika ».

Hifarana ny 30 marsa izao ny fisoratana anarana amin’ilay fifaninanana « Tsara hira tsara mo­zika » karakarain’ny Sehatra Bagasy. « Tanjona ny hampitombo ny fahalalan’ny olona ny atao hoe hira bagasy. Ta­fiditra ao anatin’izany ny fiforonan’ny hira malagasy amin’ ny ankapobeny. Ny sokajin-kira bagasy ary ny fivoaran’ ny hira araka ny taona namoronana azy (1920 – 1960) », hoy i Lydie Ratefiarison, filohan’ity fikambana anisan’ny lehibe amin’ny fikoloana sy fampiroboroboana ary fampivelarana ny bagasy ity.

Mba hampitovy ny fiaingana, misy ny fepetra arahin’ ny mpifaninana. Mpihira tsy mbola manana rakikira na rakitsary. Hira roa isaky ny dingana no atolotra ka ny iray hiran’ny taona 1920 – 1940 (ohatra : Rainizanabololona, Rahamefy, Raonivalo, Rajoro, Naka, Ratianarivo,…). Ny faharoa, hiran’ny taona 1940 – 1960 (ohatra: Therack, Ra­naivo Ranarivelo, Naly Rako­tofiringa,…). Hisy dingana telo hodiavin’ireo mpifani­nana ka tafakatra. Hotantera­hina ny 1 avrily sy 6 mey ary ny 3 jona ireo. Mandeha tokana na ao anaty tarika, ka tsy mi-hoatra ny 4 ny olona ao ana­tiny ny mpifaninana. Manana mpitendry manokana.
Nohamafisin’ny filohan’ ny Sehatra Bagasy fa : « ao anatin’ny fanapariahana sy fanatanterahana ny vinan’ny fikambanana « SBG » ny iainan’ny Malagasy ny kolon­tsaina bagasy sy ny hira ba­gasy ». Avy amin’io no anisan’ ny niteraka ny fifaninanana « Tsara hira tsara mozika », azon’ny rehetra handraisana anjara .

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: