Naiditra am-ponja vonjimaika eny amin’ny fonjan’Antanimora, afakomaly, ireo roa lahy malaza ratsy amin’ny vaky trano eny Behoririka sy ny manodidina. Ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria boriborintany fahafito (CSP7) no nifanehatra taminy izay tsy nampoiziny mihitsy. Tsikaritr’ireo polisy mpanao fisafoana ny fihetsik’ireo jiolahy ka niroso tamin’ny fisavana avy hatrany izy ireo. Nahatrarana fitaovana fivarotana hani-masaka toy ny vitrine, friteuse, micro-ondes, vera ary lafarinina ireto roa lahy ireto. Nentina nihazo ny biraon’ny polisy hanaovana fanadihadiana izy roa lahy. Fantatra fa entana vao avy nangalarina tamina trano iray eny Behoririka Ambatomitsangana ny sabotsy alina ireo tratra ireo. Nisy ny fitarainana nataon’ny niharan’ny vaky trano ka antony nahatonga ny polisy nanao hetsika nanenjehana ireo olon-dratsy.
Jean Claude