Navadik’i Noeltine ho hery niatrehana ny fiainana ny nanjo azy

Iza izy ? Filoha mpanorina ny fikambanana Ampela mionjo, i Horahako Noeltine. Ma­nan-janaka mianadahy : i Ti­rindraza Felana Noeltinah (Miss monde Madagascar 2017) sy i Tirindraza Manjary Noël Smith. Sakafo tiany ny trondro raha fialamboliny kosa ny manjaitra sy mamorona la­maody. Tia mihaino hira fiderana ataon’ny antoko mpihira izy. Anisan’ny tena tiany i Adeline. Fanatanjahantena an­kafiziny ny mihazakazaka sy ny “Zumba”. Mankafy ny gadon-kira mihetsika satria efa nahay nandihy, hatry ny fony kely izy mianadahy avy. Mpi­kambana eo anivon’ny antoko mpihira Kerobima Ankatso ny tenany ary manao tafika Ma­sina sy mamonjy ny toby. Pasitoran’ny FLM rahateo ny rainy.
Etsy andaniny, nianatra momba ny serasera ary niasa tamin’ny RNM, any Bezaha Betioky Atsimo ny taona 2004. Niofana tao amin’ny TVM/ RNM ny taona 2006.
Niverina tany Toliary ny taona 2012 ka lasa delegen’ny serasera. Noraisin’ny ORTM ny taona 2014 ary niasa tany Ambovombe ary niasa tao amin’ny TVM Anosy ny taona 2016 ka hatramin’izao.

Fisaraham-panambadiana noho ny herisetra
Anisan’ny nanamarika ny fiainany ny fisarahana tamin’ny vadiny noho ny herisetra samihafa sy ny nikatonan’ny orinasam-piangonana iray niasany, teo anelanelan’ireo taona niasany tamin’ny ORTM. “Tsy foana ny fanantenako raha mbola misy ny farany. Na­hatonga ahy namorona ilay fandaharana miompana amin’ny fizakan-tenan’ny vehivavy izany mba tsy hiaina ny niainako ny vehivavy rehetra”, hoy izy. Navadiny ho fikambanana izany ka nampijoroana ny Ampela mionjo notarihiny ny taona 2022. Maherin’ny 5 000 ireo mpikambana manerana ny Nosy. Miantso ny hanitarana izany any amin’ny faritra koa ny namany sasany.
Efa an-dalana ny tetikasa iray ezahina hapetraka isaky ny distrika. Iantsoana ny mpiara-miombon’antoka sy ny fanjakana izany na koa orinasa na mpanao asa soa. Hanampy izany ny hetsika fitadiavam-bola ahafahana manatanteraka ny vinan’ny Ampela mionjo. Anisan’ny anentanany ny tanora, indrindra ny tovovavy ny hifohazana mba tsy ho kamo na handany andro amin’ny resabe etsy sy eroa. “Tsy mahasoa izany fa lanio am’ny zavatra mampandroso ny fo­toana. Miakatra ho azy ny laharantsika ary hihena ny fahantrana rehefa mandroso isika vehivavy”, hoy ihany izy. Notsin­driany ny tokony hanomanana dieny izao ny ho avy. Ani­san’izany ny fananana asa…

Mangoraka sy marivo ranomaso
Nisaorana manokana an’ Andriamanitra fa nivadika ho hery ho azy nentiny niatrika ny fiainana ilay herisetra tao an-tokantranony, na­hatonga ny fisarahany tamin’ny vadiny. “Vono efa saika namoizana ny aina. Heri­setra, tsy fanomezana vola… Tranga mafy indrindra ny taona 2011”, hoy ihany izy.

Na izany aza, anisan’ny tena tiany ny mamaha ny olan’ireo manatona azy. Mora mangoraka sy marivo ranomaso rahateo ny tenany.

Nangonin’i Synèse R.

Partager sur: