Nanomboka ny 22 marsa teo, any New York, ny fivoriamben’ny firenena Mikambana (ONU) andinihana lalina mikasika ny rano. Tombanana ny zava-bita aty antenantenany mikasika ny fanatrarana ny tanjona ato anatin’ny 10 taona (2018-2028), ny « rano ho an’ny fampandrosoana maharitra ». Miaraka mitarika ny fivoriana ny governemanta any Tadjikistan sy Pays-Bas. Ankoatra ny fivoriambe fanokafana sy ny famaranana, misy ny fivoriana isam-baomiera sy isaky ny sehatra isan-tsokajiny. Eo koa ny fivoriana manokana avo lenta ataon’ny manam-pahaizana samihafa.
Mandray anjara amin’ izany i Madagasikara, ka misolo tena antsika ny minisitry ny Rano, fanadiovana, fidiovana, Ravokatra Fidiniavo. Nandray fitenenana izy, omaly, nizarany ny traikefa sy ny fahalalana, indrindra ny fametrahana ny paikady hanatrarana ny tanjona mikasika ny rano sy ny fanadiovana ho an’ny rehetra hatramin’ny taona 2030.
Njaka A.