Notontosaina teny amin’ny Alliance Française de Tananarive, AFT Andavamamba, omaly ny hetsika “Printemps des Poètes 2023”, andiany faha-25. Hetsika natao hanehoan’ireo mpahay kanto manana ny maha izy azy eto amintsika ny traikefany eo amin’ny hay kantony avy. Ny Aft Andavamamba sy ny masoivohon’i Frantsa no nikarakara ny hetsika, niaraka tamin’ny fandraisananjaran’ny mpiantsa tononkalo sy slam ary hatsikana. Tanjona amin’izao ny fanandratana ny hay kanto tsirairay avy ary fanomezana ohatra ho an’ny tanora sy ankizy maniry hiangaly izany hay kanto izany.
Hay kanto sy kolontsaina maroloko no hita teny amin’ny AFT Andavamamba ny tontolo andron’ny alarobia 22 marsa 2023. Samy nahazo ny anjarany avokoa ny mpankafy hay kanto 4 samihafa. Nanokafana ny hetsika ny Slam niarahana tamin’i Na Hassi, mpanoratra ny boky “Zana-bolana”, sy i Hichim, tompondakan’i Madagasikara, taona 2022, taranja Slam. Teatra nitondra ny lohateny “Frontières” no nanohizana ny hetsika. Ny faribolana Sandratra no niara-niasa ta-min’ny tomponandraikitra tamin’ity hetsika ity. Hatsikana niarahana tamin’i Lolosy Bonatsara, “Hanomano Show, one man show 2023”, kosa no namaranana ny hetsika, ny tapany hariva.
Lin(Mpianatra asa)