Hiakatra Fitsarana anio, etsy amin’ny tribonaly Anosy ny mpiasa roa avy ao amin’ny kaompania « Air France » sy « Sofitrans ». Voarohirohy amin’ny resaka « Champagnes » anakiroa izy ireo. Araka ny fanazavana avy amin’ny solontenan’ny mpiasa dia tamin’ny sidina mampitohy an’i Frantsa sy i Madagasikara no niseho ny tranga.
Nisy mpiasa iray ao amin’ ny kaompania voatendry hanangona ny sakafo sisa tsy lany tao anaty fiaramanidina, tamin’ny fahatongavany teny Ivato. Efa andraikitra fanaony an-taonany maro.
Tamin’ny fotoan’ny tranga, nisy « Champagnes » roa mbola tsy nivaky voalaza fa ambin’ireo sakafo tao anaty fiaramanidina. Nomen’ity mpiasan’ny kaompania ity ny mpiasa iray an’ny « Sofitrans » izay nanatanteraka fanadiovana ilay fiaramanidina izany. « Raha ny fanazavana azo tamin’ilay mpanome dia hoe tsy hoentina mivoaka ny faritry ny seranana ilay zava-pisotro fa hosotroina ao ihany. », hoy ny solotenan’ny mpiasa.
Teo ampivoahana ny fiaramanidina ho any anaty seranana anefa nisy nahita ilay nitondra ny « Champagnes ». Rehefa natao ny fanadihadiana, nanonona ny anaran’ilay mpiasan’ny kaompania, namoaka izany izy. Efa nandalo ny fampanoavana ny raharaha. Hiakatra fitsarana anio.
Nandritra ny resaka nifanaovan’ny solotenan’ny mpiasa tamin’ny mpanao gazety dia manahy fandroahana an-kolaka, ao ambadik’izao toe-draharaha izao izy ireo. Nilaza izy ireo fa nanomboka tamin’ny fotoanan’ny Covid, efa nanomboka nitady fomba hanalana ireo mpiasa ny mpampiasa. Tamin’ireo mpiasa 11 teny Ivato, fito sisa no ampein’ asa.
Randria