« Seho kanto » : hifandimby an-tsehatra ny Maf ‘B sy ny Voa’Art

« Voa’art », The National Orchestra of Madagascar. Araka ny anarany, orikesitra nasionaly Malagasy Folkloric Band na ny Maf’B, tropy nasionaly koa, miangaly ny hira sy dihy vakodrazana. Sam­bany vao nanana izany isika hatramin’izay. Na dia efa tamin’ny taon-dasa aza no ni­tsangana ny Voa’Art sy ny Maf’B, mbola anatin’ny fampahafantarana azy ireo amin’ ny mpiray tanindrazana aminy izao fotoana izao. Araka izany, hisy ny “Seho kanto”, izay ho­tontosain’ireto fikambanan’ ny mpanakanto marolafy, ny alahady 26 marsa izao, ma­nomboka amin’ny 3 ora tolakandro, etsy amin’ny Ivokolo Analakely.

Raha toa ka mirona any amin’ny mozika klasika, ireo hira tranainy fanao tamin’ny andron’ny fahampanjaka, sns ny Voa’Art, mirona amin’ny fitrandrahana ny hira sy dihy vakodrazana manerana an’i Madagasikara kosa ny Maf’B. Vao haingana no avy nisolo tena antsika tany Inde, nizara ny kolontsaina malagasy izy ireo.
Rafitra samy eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera, amin’ny alalan’ny akademiam-pirenena misahana ny Zavakanto sy ny kolontsaina na ny Anac izy ireto. Antony iray iarahan’ireo mpianatry ny Anac izay notsongaina handray anjara amin’ny “Seho kanto” izany.

Zo ny Aina

Partager sur: