“Antoky ny fampandrosoana maharitra an’i Madagasikara ny fitoniana politika. Tomponandraikitra amin’izany avokoa ny mpisehatra politika sy ny olom-pirenena rehetra”, hoy ny solontena manokan’ny Vondrona afrikanina (UA) eto Madagasikara, i Hawa Ahmed Youssouf, tamin’ny fitsidihana fanaovam-beloma ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, omaly. Mifarana ny fe-potom-piasany, izay nanomboka tamin’ny taona 2014.
Nambarany fa nanjaka ny fitoniana politika teto Madagasikara nandritra ny efa-taona.Tokony hotohizana izany hahazoana miroso amin’ny fantanterahana fifidianana madio sy mangarahara ary eken’ny rehetra. Efa nanohana ny zotram-pifidianana notanterahina teto Madagasikara ny UA, ary mbola vonona hanohana amin’ny fiaraha-miasa amin’izany ho tombontsoan’ny vahoaka malagasy.
Afa- mikarakara ny zom-pifidianana ny rafitra mahaleo tena Ceni. Tokony hijery ny tombontsoan’ny vahoaka malagasy ny mpanao politika eto Madagasikara. Efa niteraka krizina toekarena ny covid-19 sy ny toe-draharaha iraisam-pirenena noho ny adin’i Ukraine sy i Rosia. Manana harena voajanahary sy olona i Madagasikara. Hahazoana mampandroso tsara ny firenena izany. Ilaina ny fiaraha-mientan’ny rehetra. Tsy misy antony tokony hampihemotra an’i Madagasikara intsony, raha samy miezaka ny tsirairay.
R. Nd.