Tetikasa « Train urbain » : hisokatra amin’ny aogositra ny fitaterana

Vahaolana hampihena ny fitohanan’ny fifamoivoizana eto an-dRenivohitra ny fitaterana an-dalamby mandeha amin’ny herinaratra. Maro ny pitsopitsony tsy maintsy hatao, fa vinavinaina amin’ny volana aogositra 2023 ho avy izao ny andrana hampandehanana azy.

Vita amin’ny 60% ny fotodrafitrasa hametrahana ny fitaterana an-dalamby eto Antanana­rivo, ao anatin’ny tetikasa « train urbain ». Nijery ifotony ny fizotry ny asa ny mi­nisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro (MTMT), Ramonjavelo Va­léry, ny talata teo. Notsidi­hiny ny toeram-piantsonana an-dalamby miainga any Amoronankona hatreo Soa­rano.
Nilaza ny minisitra Ra­monjavelo Valéry, fa ho henjehina amin’ny volana aogositra ho avy izao ny hanombohana ny andrana hampandehanana ny zotra an-dalamby « train urbain ». Mbola maro ny pitsopitsony mila hatao hanatrarana io fe-potoana io. Miisa sivy ny gara, toeram-piantsonana, manomboka eo Soarano hatrany Amoronan­kona. Eo koa ny fitaizana, ny fanabeazana, ny fanazarana ny mponina sy ny mpandeha amin’ny fandehanana zotra an-dalamby an-tanàn-dehibe. « Satria maro ny zavatra efa hadinon’ny olona amin’ny lafiny zotra an-dalamby », hoy ihany izy.

Mitondra mpandeha 300 isaky ny zotra

Nomarihin’ny minisitra fa tsy maintsy atao laharam-pahamehana ny lafiny aro loza. Isan’izany ny fametrahana ny famantarana manokana, sy ny sakana (passage à niveau) eny amin’ny lalana manapaka ny lalana andehanan’ny fiarakodia.
Mirefy 12 km ny elane­lan’ny zotra an-dalamby Soa­rano-Amoronankona. Araka ny tombana, maharitra 30 mn hatramin’ny 40 mn no ha­naovana io zotra an-dalamby io. Isaky ny antsasakadiny no hisy fiaran-dalamby mandeha, mitondra mpandeha miisa 300 isaky ny zotra iray. Izany hoe, hahavita mitatitra olona 3.000 mandritra ny zotra im-polo.

Zotra an-dalamby elektrika

Nanamafy ny tale jeneralin’ny Fitaterana an-tanety ao amin’ny minisitera MTMT, fa mila tsy atao ambanin-javatra ny mikasika ny fisorohana sy ny fiarovana amin’ ny loza. Zava-baovao eto Ma­dagasikara ity hatao ity, satria zotra an-dalamby man­deha amin’ny herinaratra, na lalamby elektrika.
Efa maro ny fandrindrana ny asa hatao iarahana amin’ ny mpisehatra voakasika rehetra handaminana izany, iarahana amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), ny orinasa Madarail, sns. Manampy ireo, ny fa­nentanana sy ny fampahafantarana ny daholobe, toy ny efa nolazain’ny minisitry ny Fitaterana etsy ambony.
Dingana voalohany ity zotra Amoronankona-Soa­rano ity, mirefy 12 km. Din­gana faharoa ny Soarano-Soavimasoandro, mirefy 6 km. Efa misy lalamby daholo ireo roa ireo, fa mety hisy koa ny dingana fahatelo, ha­nanganana lalamby vaovao, eo Soavimasoandro mankeny amin’ny seranan’Ivato, mirefy 12 km, raha ny vinavina tamin’ny taona 2020.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: