Vontovorona : niverina nidina an-dalambe ny mpianatra

« Tsy mbola afa-po izahay, hatramin’izao tsy mbola nivoaka ny vatsim-pianarana roa herinandro aty aoriana ka manohy manaitra ny tomponandraikitra. Tsy misy fijerena akory ny fotodrafitrasa izay nanaovanay fitakiana », hoy ireo mpianatra niverina nidina an-dalambe indray omaly, teny Vontovo­rona.
Tsy naharitra ela ny fitokonana fa tafiditry ny mpitandro filaminana tany amin’ ny toeram-pianarana ihany ireo mpianatra nanohy ny fitakiany.
Tetsy andaniny, nanazava ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fampiana­rana ambony fa nifarana ny volana febroary teo ny fanoratana ny anaran’ny mpia­natra ka teo vao nidinika ny vaomiera manokana.
Efa voadinika avokoa izany ho an’ny mpianatra eny Vontovorona. Ho an’ny oniversiten’Antananarivo kosa dia efa vita ny ampa­hany betsaka ka mamarana izany sisa ankehitriny ny vaomiera.
Afaka miroso amin’ny dingana manaraka amin’ny fikarakarana ny vatsim-pianarana, araka izany, ny mi­nisitera hahafahana mizara izany haingana.
Momba ny fotodrafitrasa dia efa maro ny ezaka natao, araka ny nivoaka tao anatin’ ny filankevitry ny minisitra izay nisian’ny fankatoavana ny hahafahana mamatsy ny vola anamboarana ireo fotodrafitrasa eny Vontovorona sy eny Ankatso.
Efa azo tany amin’ny primatora, omaly, ny naoty hahafahan’ny minisiteran’ ny Fampianarana ambony mandoa ny fanamboarana. Ny talata teo kosa ny Jirama dia efa teny an-toerana ni­jery ny asa, hahafahana ma­maha ny olana.

Tatiana A

Partager sur: