Zava-miafin’ny 1947 : mijoro vavolombelona Randrianasolo, 95 taona

76 taona ny tolom-panavotana, nitakiana ny fahafahana teo ambany ziogan’ ny mpanjanaka. Nizaka ny mafy ny malagasy ny taona 1947. Mitantara ny niainany izany i Dada Randrianasolo. bekotro maro olatra.

Tao anatin’ny fangirifiriana tanteraka no niain’ireo mpiady Tia Ta­nindrazana, tsy nanaiky nilavo lefona teo ambany vahohon’ny Frantsay tamin’ny fotoana nipoahan’ny “Raharaha 1947”. Iray amin’ireo raiamandreny nijoro vavolombelona ny niainany ny zava-nisy tao Moramanga Randriana­solo, 95 taona. Ankanga sisa nanamborana, anisan’ireo be­kotro maroholatra sisa tsy maty.
Araka ny fitantarany, avy ao Ambatomanga, distrikan’i Manjakandriana izy. Nahita ny zava-niseho, nataon’ireo miaramila senegaly nandripaka ny Malagasy tamin’izany. “Tovolahy 19 taona aho ta­min’izany, mpikarama mitaona entan’olona. Mandeha an-tongotra mitondra enta-madinika. Izay ny asako tao Mo­ramanga”.
Alakamisy tamin’izay, ni­poaka ny raharaha Mora­man­ga. Nilaza tamin’ny mpampiasa azy izy fa hody sao maty. “Handeha hody aho na tsy omenao karama aza sao maty aty. Tsy maninona izany fa afaka mody ianao kanjo hoy ny mpampiasa. Nirefo­drefotra ny basy tao an-tampon’ny tsena Sabotsy Mora­manga. Izahay nipetraka tao Ambaniatsimo”, araka ny fi­tantarany. “Nirefodrefotra tsy nifandrenesana ny basin’ny miaramila tao an-tampon-tanànan’i Moramanga. Niho­rohoro tanteraka ny mponina. Tao ireo nandeha niafina tany anaty ala, tao ireo nihidy an-trano kanefa norarafan’ny miaramila tifitra avy any ivelany”, hoy hatrany izy. Nam­baran-dRandrianasolo fa nandeha an-tongotra izy nandeha nody niainga avy ao Mora­man­ga nihazo an’i Manja­kandriana. Betsimisaraka no nitarika azy ka tany anaty ala ny lalana fa tsy sahy nandeha namaky lalan’ny fiara tamin’izany. Amin’ny alina ihany no mahazo mandeha fa tsy amin’ny atoandro noho ny tahotra ireo miaramila.

Famaky kely sy kibay

Nilaza i Dada Randria­nasolo fa saika maty mihitsy. “Nahafaly aloha tonga amin’ny tanjona niriany ireo mpitolona tamin’izany dia ny fahazoana ny Fahaleovantena. Azo ny Fahaleovantena ny taona 1960”, hoy izy. “Mana­na Fahaleovantena i Madaga­sikara saingy mbola lavitra izany satria ara-batana, ma­haleo tena isika fa ara-tsaina, tena mbola lavitra izany. Mbola miankin-doha amin’ny vazaha fotsy hoditra isika na ara-tsaina na ara-pahaizana. Na inona na inona ataontsika dia ny vazaha no mitondra ny fiainantsika”, hoy hatrany izy.
Ny atao hoe Fahaleovan­tena, tsy voageja na amina inona na inona na ara-tsaina izany na ara-toekarena, araka ny famaritana nomeny manoloana ny zava-misy iainan’ny firenena amin’izao fotoana izao. Niezaka ireo mpiady Tia Tanindrazana tamin’izany na­nohitra ny vazaha. “Tsy nisy basy anefa fa famakikely niaraka tamin’ny kibay no nentina nanoherana ny basy nampiasain’ny vazaha tamin’izany”, raha ny fitantarany.
Raha ny tarehimarika nomeny, nisy 60 mianadahy izy ireo mpikambana tao amin’ny Bekotro maro olatra saingy efa eo amin’ny 40 eo sisa izy ireo, ankehitriny. Nitondrany fanazavana manokana koa ny momba ny tifitra variraraka tanaty Wagon, tao Moramanga. “Raha ny tantara henoko, avy any Ambaton­drazaka ireo olona ireo no nentina niakatra tao Mora­manga ka natsofoka tao anaty wagon ka norarafana tamin’ny tifitra varariraraka”, hoy izy.

Nangonin’i
Jean Claude/Fanou

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy teny Anosy, omaly, ny hetsika faha 76 taona ny fahatsiarovana ny tolom-panafahana. Nitarika izany ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotoarijaona Josoa niaraka tamin’ny Sekreteram-panjakana, ny Jly Serge Gellé notronin’ireo olo-manan-kaja maro. Tsy eto an-drenivohitra ihany ny hetsika fa manerana ny Nosy fa hanana ny mampiavaka azy koa ny ao Manakara. Lohahevitra amin’ity taom-pankalazana ity ny hoe : “Tolom-panafahana, firaisan-kina ho an’ny fitiavan-tanindrazana”.

Partager sur: