Hafana ny fifaninanam-pirenena amin’ny baolina kitra lalaovina eny amin’ny torapasika (beach soccer), karakarain’ny Telma sy ny fikambanana Dola Beach. Hahazo lelavola 5 tapitrisa ariary izay voahosotra ho tompondaka amin’ny fifaninanana, raha toa ka 2 tapitrisa ariary ny an’ny ekipa faharoa. Araka ny fanazavan’ ny mpikarakara teny Andraharo, omaly. Hotanterahina any Vatomandry ny lalao rehetra manomboka ny 7 hatramin’ny 10 avrily ho avy izao. Hiavaka ny amin’ity satria ny sokajy vehivavy no hiatrika izany. Faritra efatra no efa nisoratra anarana dia Menabe, Boeny, Atsinanana ary i Vatovavy, mpampiantrano. Fihaonana, natokana ho an’ireo fokontany ao Vatomandry ny an’ny lehilahy. Tafiditra amin’ny hetsika Dola Beach andiany faha-11.
Natao ho fampivoarana ny taranja beach soccer eto amintsika ny hetsika, noho ny haratsian’ny vokatra azon’ny Barea beach soccer nandritra ny “Can 2022”, natao tany Egypta. Ankaotra izay, ahitana lalao amin’ny taranja maro ny Dola Beach, toa ny Rugby beach, Dola sprint hatao eny ambony fasika sy ny hafa.
Fitia (Mpianatra asa)