Depiote mpanohitra : “Tsy matoky ny HCC amin’ny fitsarana fifidianana izahay”

“Tsy matoky ny HCC izahay satria mampanahy ny firaisana tsikombakomba amin’ny fahefana mpanatanteraka, ka tsy voahaja intsony ny lalàmpanorenana. Manahy izahay ny tsy hisian’ny fifidianana madio sy mangarahara ary eken’ny rehetra, izay lalana mankany amin’ny krizy.”
Io ny fanambaran’ny de­piote 15 avy amin’ny fanoherana, teny Ambohimanam­bola, omaly, novakin’ny de­piote Johasy Raharisoa Eléo­nore, momba ny fanapahan’ny Fitsa­rana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ny amin’ny fitarainana fa tsy misy ny fisaraham-pahefana tamin’ny fitsapaham-pitokisana tsy tanteraka. Nalefa teny amin’ny HCDDED izany, na­mita azy teny amin’ny HCC. Hita teny Ambohimanambola ny avy amin’ny Tim, C’Lera, MMM, tsy miankina… Nano­trona azy ireo ny lehiben’antoko toy ny filoha teo aloha isany Ravalo­manana sy Rajao­narimam­pianina, ohatra. Tsy ho azo antoka fa hitsara ara-drariny sy araka ny lalàna ireo fifidianana hifanesy eto amin’ny firenena ny HCC.

Voahitsakitsaka ny zon’ny depiote
Voahitsakitsaka ny zo fototra ananan’ny depiote sy ny fahefan’ny vahoaka nifidy azy ireo ary ny hasin’ny andrimpanjakana, araka ny fanambarana. Tsy voahaja ny tany tan-dalàna, fa voahitsakitsaka ny fisaraham-pahefana eo amin’ny mpanatanteraka sy ny mpanao lalàna ary ny fitsarana.
Na tsy azo ivalozana aza ny fanapahan’ny HCC, mitoetra ny ahiahy. Hita taratra fa tsy mahaleo tena ny HCC ary misarisary politika ny fanapahany. Koa mijoro ry zareo miaro ny zon’ny depiote sy ny fahefana nomena azy ireo hisian’ny fifandanjan-kery sy tsy hanjakan’ny fanamparam-pahefana na ny fanjakan’olon-tokana, hisian’ny demokrasia eto Mada­gasikara.
Miantso an’ireo depiote namany izy ireo ho saropiaro amin’ny famerenana ny hasin’ny andrimpanjakana misy azy sy hanatevin-daharana amin’ny fiaraha-mitaky ny fahefana feno sy ny fitokisan’ny vahoaka nifidy.
“Ny fitsarana na sehatra inona na inona misy azy, natao hamaly ny fanontaniana napetraky ny mpitory. Tsy izany anefa ny zava-misy eo amin’ny fanapahan’ny HCC ny fitakiana napetraka”, hoy kosa ny depiote Rafidima­nantsoa Narson. Lazain’ny HCC koa fa andraikitry ny filohan’ny Ante­nimi­erampire­nena ny manao ny fanamarinana ireo sonia eo amin’ny fitsipaham-pitokisana. Tsy misy an’izany anefa ny And. 195 amin’ny fitsipika anatin’ny Antenimierampire­nena.

R. Nd.

Partager sur: