Mitohy hatrany ny hetsika “Hanomano Show, one man show”, iarahana amin’i Lolosy Bonatsara. Ny Sagittarius Madagascar, tohanan’ny ivontoerana miantsoroka ny fampiroboroboana ny kolontsaina no mikarakara ny hetsika. Eny amin’ny ADMC CRAAM Ankatso indray no hanatanterahana ny seho amin’ity anio ity. “Zay fotsiny e !” no lohateny sy teny enti-manentana ny seho.
Miezaka hatrany ny tomponandraikitra sy mpisehatra eo amin’ny hatsikana, indrindra ny “Stand Up”, mampiroborobo ity karazana hetsika ity eto amintsika. Tafiditra ao anatin’izany ny hetsika “Zay fotsiny e!” iarahana amin’i Lolosy Bonatsara, anisan’ny efa manana ny maha izy azy eo amin’ny fanaovana Stand up. “Efa hita ny fiantraikan’ny ezaka atao satria efa manomboka maro no liana sy tonga mijery ny fampisehoana”, hoy ny mpikarakara. Hisy hatrany ny hetsika hanomezana sehatra ny mpandray anjara sy ireo vao misondrotra eo amin’ity sehatra ity. Tanjona ny hampahafantarana ny Malagasy ny “Stand up” sy ny maha izy azy.
Lin (Mpianatra asa)