“Ao anatin’ny tany demokratika isika. Tsy maintsy apetraka ny demokrasia, ary zon’olombelona izany: zon’ny olona ny mivory sy maneho ny heviny, miara-paly. Misy sy manantena izahay fa hisy ny fanajana ny zony”, hoy ny depiote Tim, Andriamampandry Todisoa, momba ny hetsiky ny Tim eny Ambohimanarina, Antananarivo VI, hatao rahampitso.
Ao anatin’ny toeran’olona manokana no hanaovana ny hetsika. Tsy misy ny fanakantsakanana ny fifamoivoizana na ny tsena, fa mbola mitsofoka any anaty tanàna
Na tsy tokony ho nanao fampahafantarana sy fangatahana aza, tsy maintsy natao izany ho fanajana an’ireo tomponandraikitra eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Satria mitaiza vahoaka ary mitarika olona ny tena, araka ny nambarany.
Efa voapetraka tamin’ny 20 marsa lasa teo avokoa ny taratasy fampahafantarana ho an’ny lehiben’ny distrika sy ny prefen’Antananarivo. Amin’ny tranon’olona manokana voafefy no hanaovana ny hetsika, ary misy kianja izay mitondra ny anarany fa azy ihany, araka ny nambarany. Fiarahabana noho ny taona vaovao no hatao. Eo koa ny fanentanana ny vahoaka eny an-toerana hisoratra anarana amin’ny lisitry ny mpifidy. Fitaizana vahoaka izany, adidy masina sy andraikitra tokony hatao eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Amin’ny maha depiote azy, hisy ny tatitry ny asa teny anivon’ny Antenimierampirenena.
R. Nd.