Hosantarina aty Antananarivo… : hiditra amin’ny andiany faha-8 ny « Fianar Reggae Festival »

Feno 10 taona amin’ity taona ity no nisian’ny hetsika «Fianar Reggae Festival». Hiditra amin’ny andiany faha-8 kosa ny fanamarihana izany, satria roa taona no tsy nisy ny hetsika. Hanao ezaka lehibe hamerina ity hetsika hoan’ny mozika reggae sy ny manodidina azy ity ireo mpikarakara sy mpanakanto ao Fianaran­tsoa, ny 8 sy 9 avrily hoavy izao, ao amin’ny Alliance Française Fianarantsoa. Araka ny fandaharam-potoana, ho­santarina aty Antananarivo izany, hanomezana ny fofompofon’ny mety hitranga any. Hotontosaina ao amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo ity andran-tsira ity, ny 1 avrily izao, manomboka amin’ny 4 ora tolakandro. Saika ireo tarika sy mpanakanto hanafana ny fotoana any Fianaran­tsoa ihany no hiaka-tsehatra mandritra izany, toa an-dry Jah Roots Malagasy Revo­lution, Majestic Lion ary Mashmanjaka. Hanampy azy ireo mandritra ny hetsika goavana kosa ry Nadz, 6Watt, Eka Zaho, Reggasy, Relongo, sns.

Zo ny Aina

Partager sur: