Hatao ny 15 hatramin’ny 18 jona ho avy izao, eny amin’ny foibe CCI Ivato, ny hetsika iraisam-pirenena mikasika ny fizahantany ITM (International tourism fair of Madagasikara), andiany fahasivy. Zava-dehibe ny hantenaina aminy, satria tsy nisy ny hetsika nandritra ny telo taona, noho ny krizy Covid-19. Mikarakara azy ny Ofisim-pirenena ho an’ny fizahantany (ONTM) eo ambany fiahin’ny minisiteran’ny Fizahantany.
Lohahevitra noraisina ny hoe « ny faharetana sy ny teknolojia niomerika ho an’ny fizahantany ». Nilaza ny minisitra Randriamandranto Joël , fa kihon-dalana hifantohana any amin’ny lafiny niomerika ho an’ny fizahantany ity andiany fahasivy ity. Hisy ny toerana manokana « digital space » ho an’izany.
Mpitsidika 18.000
Toy ny fanaon’ny ITM hatramin’izay, tombanana hitombo 20% hatrany ny mpitsidika, ka miisa 18.000 ny handrasana amin’ity fotoana ity. Manodidina ny 300 ny tranoheva, ahitana sokajy maro. Handray anjara koa ny mpisehatra amin’ny fizahantany ao anatin’ilay antsoina hoe « Nosy lavanila » (Iles vanilles), avy any La Réunion, Maorisy, Seychelles, Mayotte ary Kaomoro.
Hatokana ho an’ny matihanina amin’ny fizahantany ny andro roa voalohany. Hifantoka amin’ny fampiroboroboana ny fikarohana mpiara-miombon’antoka, ny fifampiraharahana B2B, ny famelaberan-kevitra, sns.
Ho an’ny daholobe kosa ny andro roa farany, ahitana hetsika ara-kolontsaina miampy ny tontolon’ny sakafo sy ny nahandro. Misy mpandraharaha vahiny manodidina ny 100 ho avy mandritra ity ITM 2023 ity.
Njaka A.