Hanampy ny mpivarotra ao amin’ny Petite Vitesse hanatsara ny tsenany ny CUA. Mbola malalaka ny toerana ka tokony hiditra anaty tsena ara-dalàna ireo mpivarotra amoron-dalana.
Mitohy ny fidinana eny ifotony ataon’ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina. Nitsidika ny mpivarotra teny amin’ ny tsena Petite Vitesse indray ny tenany niaraka tamin’ny mpiara-miasa, omaly.
Nihaino ny fitarainan’ny mpivarotra ny ben’ny Tanàna ary nitondra vahaolana avy hatrany. Handefa teknisianina manokana ny kaominina mba hijery ny lakandrano fivoahan’ny rano maloto ao anatin’ny tsena Petite Vitesse. Mampitaraina loatra ny mpivarotra izany satria tonga any an-tsena ny rano rehefa tena mikija ny orana ka manimba ireo entana mihitsy indraindray.
Hampiana ihany koa ireo mpivarotra amin’ny fanamboarana sy fanatsarana ny toeram-pivarotan’izy ireo. Hatsaraina sy havaozina hahasarika ny mpiantsena hividy ireo entan’ny mpivarotra manara-dalàna ao anaty tsena izany.
Ankoatra ireo, hitadiavam-bahaolana ny famerenana ny toerana hahafahan’ny fiara miantsona na «parking» ao amin’ity tsena ity. Hohatsaraina sy hamboarina ny vavahady miditra ao anatin’ny tsena mba hanatsara ny endriky ny tsena ihany koa.
Hitohy ny fanentanana ireo mpivarotra amoron-dalana hiditra ao anaty tsena satria mbola malalaka ny toerana.
Nampahafantatra ny mpivarotra ny ben’ny Tanàna fa tokony tsy hanana fanahiana mahakasika ny tetikasa «train urbain» sy ny «téléphérique» satria ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny filankevitra monisipaly dia hiaro sy ho eo akaikin’izy ireo hatrany.
Tatiana A