Kaominina Befotaka : dahalo iray maty, omby 41 tafaverina

Ravan’ny mpitandro filaminana niaraka tamin’ireo kalony ny halatr’omby nataona andian-jiolahy tao An­kapilaboara, fokontany Ilaza, kaominina Befotaka , ny alakamisy 16 marsa teo. Nirongo fitaovam-piadiana, miisa 32 ireo dahalo nanao fanafihana. Voaroba ny omby 55 ka nirifatra nandositra izy ireo. Nampandre ny zandary eny an-kianja avy hatrany ny ben’ny Tanàna ao an-toerana. Ni­roso tamin’ny fisafoana ny kizo ireo zandary nampian’ny mi­aramila sy ny kalony. Ni­fanehatra tao amin’ny kizo Antsingilibe ireto farany sy ny dahalo. Raikitra ny fifampitifirana. Vokany, maty ny iray tamin’ireo dahalo. Voa ny roa saingy tafaporitsaka niaraka tamin’ireo namany. Latsaka teny amin’ireo olon-dratsy ny omby miisa 41.

Tsiferana R.

Partager sur: