Liberty 32 : “Havaozy ny lalàm-pifidianana”

Tapitra omaly ny atrikasa nataon’ny fiarahamonim-pirenena sy ireo antoko politika maro samihafa. Nandritra ny 2 andro ny fihaonana tetsy Antaninarenina. Tanjona ny hikatsaham-bahaolana ma­hom­by mialoha mba hahazoana fifidianana madio sy mangarahara. «Ilaina ny fanavaozana ny volavolan-dalàna mifehy ny fifidianana (LORGER) mandritra ny fivoriana ara-potoanan’ny Ante­ni­mierampirenena”, hoy ny avy amin’ny Liberty 32, An­driamiharimanana Nantenai­na. Takin’izy ireo ny hamerana ny fandaniam-bolan’ny kandidà sy fangaraharan’ny loharanom-bolan’izy ireo.
Efa samy nandefa fanambarana sy nampaneno lakolosy teo anivon’ny tomponandraiki-panjakana sy ny Ante­nimierampirenena ny antoko politika, raha ny fanambarana.
Tsy mbola nisy vahaolana sy fandraisan’andraikitry ny fanjakana manoloana izany. Antony nanaovana ny atrikasa, niompana amin’ny fikatsaham-bahaolana ma­homby mialohan’ny fifidianana sy fampifandraisana ny OSC misehatra amin’ny fanaraha-maso ny fifidianana ary ireo mpisehatra hafa.

Fampandrosoana ny firenena

Miezaka miara-miasa amin’ny mpanao politika sy fikambanana hampandroso ny firenena ny fiarahamonim-pirenena. «Samy manana andraikitra na ny mpanohitra na ny avy eo anivon’ny mpitondra mba hampilamina sy hampandroso ny firenena», hoy ny solontenan’ny fiarahamonim-pirenena. Nilaza izy ireo fa tsy tokony ho leo ny rehetra manoloana ny tsy fihainoan’ny fanjakana.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: