Nanatanteraka fifanaraham-piaraha-miasa ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa sy ny orinasa Cementis, omaly, tetsy Tsaralalàna. Hiantoka ny simenitra lany rehetra amin’ny hanamboarana ny Lycée any Manjary izay ravan’ny rivodoza Freddy farany teo ny orinasa.
Tanjona ny hiverenan’ny mpianatra mianatra amin’ny sekoly tsara ara-dalàna hahafahan’izy ireo manovo fahalalana toy ny ankizy rehetra. Nanao antso avo tamin’ireo mpiara-miombon’antoka ny minisiteran’ny Fampianarana teknika amin’ny tolo-tanana hanarenana ny fahavoazan’ireo foibem-piofanana sy sekoly ravan’ny rivodoza ka tsy nisalasala ny orinasa Cementis namaly izany.
Nanao ny sonia fifanaraham-piaraha-miasa, omaly, ny tale jeneralin’ny orinasa, François Lesquen sy ny minisitra Rahantanirina Vavitsara Gabriella.
Efa nisy hatrany ny fiaraha-miasan’ny roa tonta hatramin’izay toy ny fanamboarana ny sekoly tany Toliara sy Toamasina ka izao mitohy izao hatrany.
Tatiana A