Tsy malaza intsony ny tsenan’omby ao Miandrivazo, azo lazaina fa renivohitry ny tsenan’omby ao amin’ny faritra Menabe nandritra ny taona maro. Saingy nanomboka ny taona 2000, nahazo laka ny halatra omby tany an-toerana noho ny asan-dahalo, dia maro ny velon-taraina sy namoizana ain’olona. Teo amin’ny taona 2018, nanomboka ny fanadiovana sy ny fanenjehana dahalo.
Misy tsenana omby roa ao amin’ny ditrikan’i Miandrivazo : kaominina Antsikida sy Miandrivazo. Raha ny tsena ao Miandrivazo manokana teo aloha, nampiditra omby 100 hatramin’ny 150 isan-kerinadro avy amin’ireo kaominina manodidina, toy ny avy any Manandazana, izay azo ambara fa be omby indrindra ; Nosy Mena ; Bemahatazana ; Ampanihy ; sns. Tao ny omby tsy mazava ny taratasiny. Nisy namidy taty ivelan’ny tsena. Nahitana mpividy omby matanjaka avy aty Antananarivo sy Mandoto tamin’izany fotoana.
Ankehitriny, 5, 8 ,10, raha be indrindra 20 isan-kerinandro sisa tonga ao Miandrivazo. Tsy hita intsony ireo mpividy omby maro an’isa. Ny any amin’ny tsenan’i Antsikida no miverina tsikelikely, fa na izany aza, eo amin’ny 22 eo ho eo. Tsy betsaka intsony. Ny olona ve malaina mivarotra sa ny amidy mihitsy no tsy misy intsony ? Tsy fantatra.
Marary ny tsenan’omby
Nisy lisitra ny olona nenjehina nentin’ny foloalindahy avy aty Antananarivo nidina tany Miandrivazo. Maro ny olona maty sy nigadra noho izany. Veterinera tsy miankina amin’ny fanjakana koa no manao ny asa rehetra, manana mpiara-miasa aminy manao vaksiny any amin’ny kaominina ambanivohitra rehetra. Ireo ihany koa no manisa omby. Misy sampandraharaham-panjakana momba ny fiompiana ao an-toerana, saingy tsy manao ny asany momba izany fa any amin’ny fambolena. Azo ambara fa marary ny tsenan’omby.
Misy tambanjotra ny halatra omby
Mitovitovy amin’izany ny halatra omby, izay karazana fomba mihitsy ho an’ny sasany sy ny asan-dahalo mamono olona sy mangalatra any amin’ny distrikan’i Tsiroanomandidy, faritra Bongolava. Antony iray lehibe mahalafo ny henan’omby any amin’ny mpanjifa eto Antananarivo, satria ireo no anisan’ny mpamatsy omby be indrindra eto an-dRenivohitra. Tena mila fanadiovana fa sarotra ny mandrava ny tambanjotra ny halatra omby.
Ndrina