Miara-mientana amin’ny fampandrosoana ny tanàna ireo voafonja ao Miarinarivo. Mandray anjara mivantana amin’ny alalan’ny fanamboarana ny lalana « pavé » izy ireo. Vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ireo tomponandraikitra ao an-toerana toy ny Governora Maherizo Andriamanana, ny DREFTP Itasy, ny kaomisarian’ny polisy Miarinarivo, ny ben’ny Tanànan’i Miarinarivo ary ny fandraharahana ny fonja. Miasa manamboatra lalana sy hahafahan’izy ireo miatrika ny fiainana aorian’ny saziny ireto voafonja ireto. Noraisin’ny Faritra an-tanana ny fanatsarana ny sakafo omena azy ireo mandritry ny fanaovana ny asa. Nomena fitafiana manokana ho fitsinjovana ny maha olona koa izy ireo. Notsindrian’ny governora manokana fa adidin’ny tsirairay no mifanome tanana amin’ny asa fampandrosoana ny faritra ary tafiditra amin’ny fanatanterahana ny velirano faha-6 sy faha-11 nataon’Andriamatoa Andry Rajoelina, filohan’ny Repoblika, izao hetsika izao.
Tsiferana R.