« Manome ra, manome aina ». Ankoatra ny maha mpisehatra amin’ny toekarena azy, manana adidy amin’ny lafiny sosialy koa ny ao amin’ny minisiteran’ny Harena an- kibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika (MM RS). Nanatanteraka fanomezan-dra maimaim-poana teny amin’ny Amphithéâtre Ampandrianomby ny fianakaviamben’izy ireo, omaly. Hetsika niarahana tamin’ny foibe famindrana ra eo amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.
Nitarika azy ireo, ny minisitra Rakotomalala Herindrainy Olivier. Nambarany fa fanombohana ihany ity hetsika ity, fa vonona ny MMRS hitondra ny anjara birikiny amin’ny fanomezana ra maimaim-poana hanampiana ny mpiara-belona. Nentaniny ny olom-pirenena mahafeno ny fepetra takina amin’ny fanomezana ra, handray anjara.
Njaka A.