Nahazo faka ny kolo saina vahiny : voafatotra mafy ny Malagasy sy i Madagasikara

Sanganehana, sakodiavatra ! Misy lasitra efa voavolavola tao anatin’ny fotoana naharitra nanefy ny sain’ny Malagasy. Izay mivoaka na miala na manatanteraka zavatra hafa tsy tafiditra ao anatin’io lasitra io, ailiky ny fiarahamonina. Voatondro molotra. Omena todi-damosina… Ambara ho diso lalana…

Ny saina no nodonina voalohany ! Tahaka izao ny fomba hoenti-mivavaka. Mila manorina trano fiangonana isika. Ity ny boky ampiasaina. Izy no antsoina hoe zanak’An­driamanitra. Manana fahefana tahaka izatsy sy izaroa izy, sns. Nampidirin-dry zareo mpanjakazaka an-ta­nin’olona tsikelikely teto Madagasikara ilay kolo saina tsy ahafahan’ny Ma­lagasy miaina sy mivelona ary mihaino ny feon’ny fieritreretany. Nanjary lalan-tokana no nizoran’ny Ma­lagasy : fiankinan-doha.
Tsy nijanona hatreo fa nitohy hatrany amin’ny tsy fahatokisan-tena. Tsy fahaizana mampiasa saina. Fitsi­pahana ireo zotra sy lamina voajanahary. Tranga na olana faran’izay tsotra, nanjary tsy hain’ny Malagasy ny namaha azy. Mitady olona sy mikatsaka vahaolana any amin’ny tsy tokony hanaovana izany satria izay no efa napetraky ny lasitra nentin’ny vahiny.
Dingana fahatelo, nanana kolo saina miandry fahagagana ny Malagasy. Lasa mpanameloka ny tenany ho fototry ny zava-tsy mahomby rehetra. Ireo rehetra ireo, miainga amin’ilay lasitra napetraky ny vahiny. Ny tsy miditra any am-piangonana, tsarain’ny fiarahamonina, avy hatrany, ho tsy mpivavaka. Ny mampiasa raokandro, voatondro molotra ho mpanao ody ratsy. Ireo manaja fady, nampangaina ho minomino foana, sns.

Fanabeazana narahina horohoro

Tsy voahaja intsony ny kolo saina nolovain’ny Ma­lagasy tamin’ireo razambeny. Tafatsofoka sy nankatoavin’ny Malagasy fatratra ka tonga lalan’ny fiarahamonina ny kolo saina vahiny. Tsy nisaraka tamina fampitahorana sy fampihorohoroana anefa izy ireny. Raha ny «aza ny lohasaha mangina no jerena fa Zanahary an-tampon’ny lo­ha» no nomen-danja fahiny, nivadika ho tahotra ny ho any amin’ny afobe izany taty aoriana.
Tsy miala amin’ny fihinanana vary ny Malagasy satria fantany tsara fa «ny vary Andriamanitra». Rehefa no­kolokoloin’ny vahiny fatratra ny sainy, «azo soloina zavatra hafa toy ny ovy ny vary». Rehefa tsy nahomby loatra io tetika io, naseho tamina endrika ambadika ny fampihorohoroana. Raha mamboly vary amina zezibazaha ianareo, hitombo efatra na dimy heny ny vokatra ho azonareo. Nifampitazana ny tantsaha. Izay tsy nampiasa zezibazaha notsaraina ho tsy tia fandrosoana. Teraka ho azy ny horohoro sao tsy hitovy amin’ny mpiara-monina ka ho voatondro molotra.

Fomba ahafahana mifehy vahoaka

Rehefa zatra miankin-doha sy tantanan-dava. Olona nobeazina sy notezaina anaty tahotra sy horohoro. Olona tsy navela hampiasa ny sainy fa nozarina notoloram-potsiny… Tonga mora fehezina, mora badoina, mora ampahoriana, sns. Tsy mahita lavitra. Fohy fisaina sy fandinika. Mpihi­nana amam-bolony. Faly an-kanin-kely…
Voafehy tsy afa-mikofoka ny Malagasy satria ny saina mihitsy no nokoloin’ny mpanjakazaka an-tanin’olona hanaraka ny zava-tadiaviny. Na i Madagasikara ivangongoan’ny harena be ity aza rehefa tenenin’ny vahiny hoe : «tany mahantra», manaiky ho azy ny sain’ny Malagasy.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: