Oniversiten’Antananarivo : vita ny fampitahana ny lisitry ny mpianatra

Namoaka fanambarana, omaly, ny oniversiten’Anta­na­narivo fa efa vita tanteraka ny sahanasa momba ny fampitahana ny lisitr’ireo mpianatra izay misitraka ny vatsim-pianarana taona 2022-2023. Na­tao nandritra ny 3 andro (13-15 marsa) ny fampitahana, nifarimbonan’ny oniversiten’ An­tananarivo sy ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika (Mesupres) ary ny minisite­ran’ny Fiovana sy fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra sy ny fifandraisan-davitra (MNDPT). Nitohy hatramin’ny zoma 17 marsa ny fampitahana lisitra ho an’ireo fakiolte 3 izay mbola nanana olana ara-teknika.
Miandry ny fitambaran’ireo lisitra rehetra any anaty Edutic izay alefan’ny minisitera tompon’andraikitra hahafahana manao ny sora-bolan’ny vatsim-pianarana, araka izany, ny talen’ny fitantanam-bola eo anivon’ny oniversi­ten’Antananarivo.

Tatiana A

Partager sur: