Raha ny tantara voasoratra, ny mpanjaka Radama I, no namoaka ny lalàna momba ny abidia malagasy ny 26 marsa 1823. Anisan’ny hanamarika io vanim-potoana lehibe io ny fikambanan’ny poety sy ny mpanoratra Malagasy, Havàtsa-Upem. Hetsika hotanterahina ao amin’ny FJKM Tranovato Ambatonakanga, rahampitso manomboka amin’ny 2 ora sy sasany. Hevi-dehibe hiompanan’ny fandaharam-potoana ny : « tantara, soratra, fivavahana kristianina, toko telo ho an’ny fitahirizana ny teny malagasy ».
Hosokafana amin’ny fotoam-pivavahana ho fisaorana an’Andriamanitra ny hetsika. Tohizana amin’ny vela-kevitra : «Ny tantaran’ny abidia malagasy», hotontosain-dRatomanantoanina Tahirisoa Eric (Tsiloko Mahadigny, mpikambana Havàtsa-Upem). Dimbiasan’ny seho an-tsehatra momba ny teny malagasy sy ny tanindrazana ary fiderana an’Andriamanitra atolotry ny Havàtsa-Upem. Tafiditra ao anatin’izany ny antsa tononkalo, hira klasika sy bagasy.
Handray anjara amin’ity fankalazana ity ny tarika Tafasiry Kolokanto. Tarika manasongadina sy mamerina ny hanitry ny bagasy, kalon’ny fahiny ary ny hiran’ny omaly.
HaRy Razafindrakoto