Ady amin’ny Sida : nanolotra 19 tapitrisa Ar ny tetikasa Ambatovy

Mitentina 19 tapitrisa Ar ny fanomezana natolotry ny orinasa Ambatovy hanampiana amin’ny ady amin’ny VIH/Sida ao Mo­ramanga, tamin’ny volana janoary teo. Ahitana karazana fitaovana enti-manabe, fanamiana enti-miasa, petadrindrina sy takelaka fanentanana samihafa ny fanampiana nomena tamin’izany.
Hanampy ireo tanora mpanabe olon-tsahala sy mpiasan’ny sampandraharahan’ny Fahasalamam-ba­hoaka ao amin’ny distrikan’i Moramanga (SDSP) amin’ny asany ireo. Mano­hy hatrany ny fandraisany anjara amin’ny ady amin’ny VIH/Sida ny orinasa Ambatovy. Mametraka ho laharam-pahamehana am­bo­ny indrindra ny fahasalamana sy ny aroloza ho an’ny mpiasa ao aminy sy ny mponina manodidina rahateo ny orinasa.
Anisan’ireo fandraisany anjara amin’ity ady ity ny fanohanana ireo fanentanana ny olona momba ny ady amin’ny VIH/Sida sy ny fanaovana fitiliana eo anivon’ny orinasa sy ny vondrom-piarahamonina mano­didina.

Tatiana A

Partager sur: