Nipoaka ny basy tao Soatanana, fokontany Ambohitrevo, kaominina Tobona, distrika Farafangana. Nitrangana fanafihana mitam-piadina tao amina tokantranona renim-pianakaviana sady mpiandry ny Fiangonana Loterana Malagasy (FLM) tao an-toerana, ny sabotsy 18 marsa tokony ho tamin’ny 9 ora alina. Niditra an-keriny tao an-tranony ny jiolahy telo lahy nirongo basy. Nitady azy ka nitifitra io vehivavy io avy hatrany. Vokany, maty tsy tra-drano tamin’izay ilay renim-pianakaviana 52 taona. Naratra voan’ny piti-bala kosa ny ramatoabe iray reniny, 65 taona. Voan’izany teo amin’ny feny sy ny fitombenany kosa ny zanak’ilay vehivavy maty. Miisa roa ireo zaza naratra, 25 taona ny iray raha vao 2 taona sy valo volana kosa ny iray hafa. Tsy nandroba na inona na inona ny olon-dratsy saingy nitsoaka vao vita ny asa ratsiny. Taorian’io, namonjy ilay ankohonana voatafika ny mpiara-monina. Ka nentina vonjimaika tao amin’ny hopitaly Farafangana ireo naratra.
Lonilonim-pianakaviana
Taorian’ny famotoran’ny zandarimaria, olona roa no efa voasambotra sy voarohirohy tamin’ity tranga ity. “Tratra afakomaly teny amin’ny manodidina izy roa lahy ireto ka hatao fanadihadiana”, hoy ny zandary ao an-toerana. Notohizany fa mbola mitohy ny hazalambo an’ireo nahavanon-doza rehetra. Tao anatin’ ny famotorana, nilaza ny zanakin’ny maty fa mety ho lonilonim-pianakaviana no nahatonga ny loza. Manan-janaka lahy iray hafa mianatra ao Fianarantsoa ny reniny ka namangy azy tany Manakara izy tamin’ny herintaona. Misy zanaky ny havany ihany koa mianatra ao Matsiatra ambony saingy narary teny an-dalana ka nijanona tao Manakara. Nivantana tao amin’ity mpiandry ity izy saingy namoy ny ainy taorian’izay. Araka izany, nihevitra ny ray aman-drenin’ilay tovolahy maty fa namosavian’ity renim-pianakaviana ity ny zanany. Ka valifaty izany ity fanafihana nanakaramana olona ity, hoy hatrany ny zanak’ilay mpiandry namoy ny ainy.
Henintsoa Hani