Taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Freddy teo, tany Atsimo Atsinanana, mikorontana koa ny fiompiana tantely. Arahi-maso ny tranon-tantely raha mbola mamokatra tsara, indrindra ny karazana Mellifera Unicolor, izay tsy misy afa-tsy eto amin’ny Nosy. Misavorovoro taorian’ny rivodoza ny andro iainan’ireo tantely ireo.
Nahitana fiantraikany indrindra ny tranony, tsy afaka mivoaka ireo tantely raha vao mirotsaka kely ny orana, tsy afaka manidina rehefa mando ny helany. Tsy hita mitombo.
Voa ny tranony, voa koa ireo zava-maniry manodidina azy. Efa nitranga izany tamin’ny taon-dasa noho ny fandalovan’ny rivodoza roa, Batsirai sy Emnati. Tratra aoriana noho izany ny famelan’ny zava-maniry, ary kely ny vokatra azo, mety tafidina hatrany amin’ny 25 % ho an’ny mpiompy sasany. Raha mbola hisy ny rivodoza, mbola hisy fiantraikany noho izao, tsy amin’ny fiompiana tantely ihany, fa amin’ny fiompiana ankapobeny sy ny fambolena.
Ndrina