Centre Sembana Mijoro – 20 taona : 200 mahery ireo tanora efa miasa sy mahaleo tena

Mankalaza ny fa­ha-20 taonany ny Centre Sem­ba­na Mijoro eto Anta­nanarivo. « Tsara ny vo­ka­tra nandritra izay fotoana izay satria 200 mahery ireo tanora sembana ara-batana sy ara-tsaina efa mahaleo tena ankehitriny », hoy Raza­finjato Fela, filoha mpanorina ny fikambanana. Nahazo tohana avy amin’ny fikambanana amin’ny alalan’ny vatsim-pianarana izy ireo. “Mbola nampiana tamin’ny fitadiavana asa ihany koa”, hoy izy. “Efa manana ny orinasany sy efa mahaleo tena avokoa izy ireo”, raha ny fanazavan’ny solontenan’ny ray aman-drenin’ny mpianatra . Nisy ny fanentanana ireo tanora hafa tsy afa-manaraka ny fampianarana.
Ahitana sampam-piofanana maro eo anivon’ny fikambanana. Ny informatika sy fandrahoan-tsakafo ary ny zaitra. Tsy misy fe-potoana raikitra ny faharetan’ny fianarana fa arakaraky ny hahavitan’ireo tanora ihany, raha ny fanazavana voaray. Omena sehatra manokana ireo ankizy sy tanora avy amin’ ny fianakaviana sahirana. Eo koa ny tanora manana fahasembanana ara-batana. Takina amin’izy ireo koa ny fahazotoana hivoatra amin’ny fiainana fa tsy ho zatra tolorana.
Nosokafana tamin’ny fotoam-pivavahana

Nosokafana tamin’ny fotoam-pivavahana tetsy amin’ny FJKM Ambohi­manandray Ambohima­na­rina ny fankalazana omaly. « Fa raha izaho kosa, ny famindram-ponao no itokiako, ho faly amin’ny famonjenao ny foko » io ny loha-hevitry ny fankalazana.
Tonga nanatrika ny fo­toana ny avy amin’ny mi­ni­steran’ny Mponina sy ny Fahasalamana ary ny so­lombavahoaka avy any Ifa­nadiana. Nitarika ny fo­toam-pivavahana ny mpitandrina Razafikoany Emi­le Jean Lalao sy Rafa­no­mezantsoa Maurice de Dieu. Eny Ambohibao ny foiben’ny fikambanana. Efa misokatra ihany koa ny trano fandraisam-bahiny eny Analamahitsy.

Tsiahivina fa, nisedra olana ny fikambanana tao anatin’izay 20 taona izay. Anisan’izany, ny fahamaizan’ny trano fonenan’ny mpanorina tany am-piandohana. Eo koa ny fahasarotan’ny fampiofanana ireo ankizy sembana. Tsy kivy fa mijoro hatrany ny mpanorina sy ny mpanabe, manome fahalalana hatrany ho an’ireo tanora, raha ny fanazavana voaray.

Mino
(mpianatra asa)

Partager sur: