Voasambotry ny polisy misahana ny ady heloka bevava sakelika voalohany (BC1) Anosy teny Ambondrona ireo telo mianadahy (vehivavy roa sy lehilahy iray) malaza ratsy amin’ny fisolokiana avolenta. Raha ny tatitra nampitain’ny BC1, ny 11 febroary 2023 lasa teo, cash point iray voasolokina vehivavy roa teny Behoririka. Mizara ireo vehivavy roa ary efa mipetrapetraka ny teti-dratsin’izy ireo. Tonga maka ny mombamomba izany ny iray. Fantariny ny tompony ka lasa izy rehefa azony izany. Afaka herinandro, tonga ny namany iray hafa manontany hoe aiza ny tompony. Nilaza ny ankizy nitazona ilay trano fa mbola tsy eo izy. Mitonona io vehivavy misoloky io fa hanakalo “soldles” ka lazainy fa tsy any aminy ilay vola fa napetrany tamina tranombarotra iray ao Behoririka. Asainy ajanona amin’izay olona afaka misolo azy eo ny finday sy ny vola ka entiny manaraka azy ny olona ao amin’ilay cash point. Tonga ao indray ny vehivay iray hafa namany milaza fa atao “transaction à distance” ilay vola fa efa nantsoiny ny tompony fa omena azy ny code andefasana azy. Mody antsoiny ilay ankizy tompon’andraikitra izany. Rehefa azony ny code, miantso ilay vehivavy namany mpisoloky nitondra ilay ankizy izy sady miteny fa efa azony ny code. Tonga ao amin’ilay tranombarotra voalaza fa hakana ny vola ilay mpisoloky dia asainy miandry eo ivelany fa hoe haka ny vola izy. Tsy hita intsony izy vantany vao tafiditra ao amin’ilay tranombarotra. Vola 5 tapitrisa Ar no azon’izy ireo tanaty orange money sy airtel money. Saika hanohy ny asa ratsiny izy roa vavy kinanjo tratra teny Ambondrona. Efa nandrasan’ny polisy BC1 izy ka tsy afa-bela intsony.
Jean Claude