Fametraham-pialan’ireo fiarahamonina sivily: “Tsy te-hanome vahana ny tsimatimanota izahay”

Mitsipaka marindrano ny fampihenana ny herin’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly (Pac) ireo fiarahamonina sivily, miisa 15. Nanao fanambarana fametraham-pialana faobe izy ireo. Anton’izany ny korontana eo amin’ny fitantanana noho ny lalàna « Idealson ». Efa tsy miantoka intsony ny fahaleovantenan’ny Pac ilay lalàna. Mamotika ireo ezaka natao, tamin’ny nametrahana ny rafitra miady amin’ny kolikoly, indrindra ny Pac izany, araka ny nambaran’izy ireo, omaly. “Tsy te hiray tsikombakomba amin’ny fanimbana ny rafitra efa napetraka izahay, amin’ny fanomezana vahana ny tsimatimanota raha ny fahitana ireo fangatahana fanenjehana tsy nisy tohiny. Niara-nanapa-kevitra izahay fa hiala tsy ho mpikambana intsony ao amin’ny komity mpanombana (CSE) ny Pac”, hoy izy ireo. Nanterin’ny firaisamonim-pirenena fa tsy mifanaraka velively amin’ny fanambaran’ny manam-pahefana hiady tsy misy indrafo amin’ny kolikoly ny fampitsaharana ny asan’ny Pac. Mifanohitra amin’ny fametrahana ny fanjakana tsara tantana tokony hitondra amin’ ny  fampandrosoana lovain-jafy, tsy manavaka an’iza na iza.

Tsindry

Nohelohin’izy ireo koa ny tsindry amehezana ny Pac momba ilay raharaha nahakasika ny ben’ny Tanànan’i Vavatenina. “Hamafisinay ny fanohananay ny fahaleovantenan’ny fitsarana, ary manainga ny manam-pahefana rehetra hampitsahatra ireo rehetra mety ho endrika tsindry manokana sy antsonjay, indrindra amin’izao vanim-potoana manakaiky fifidianana izao”, hoy izy ireo.

Synèse R.

Partager sur: