Fampandrosoana ny eny ifotony: nahazo fiara sy ordinatera ny lehiben’ny distrika sy ny préfet

Noraisin’ny filoha Rajoelina Andry ireo lehiben’ny distrika sy ny préfet manerana ny Nosy, omaly. Nomeny toromarika momba ny fifidianana izy ireo ary nampahatsiahivina ny andraikiny eny ifotony.

Notoloran’ny filoha fiara 4×4 miisa 76 ireo tonga teny an-toerana ankoatra ireo efa nisitraka izany, miisa 47 teo aloha . Eo koa ny fahazoan’izy rehetra ordinatera sy ny kojakoja miaraka aminy. “Sahirana ianareo rehefa tonga ny loza voajanahary fa tsy manana fiara ka omena fitaovana”, hoy ny filoha, tamin’ireo lehiben’ny distrika sy prefe miisa 119, niatrika izany teny Iavoloha, omaly. Notsiahiviny fa hohamafisina ny fiaraha-miasa ho fampandrosoana ny firenena ary manana andraikitra amin’izany ireo lehiben’ny distrika sy préfet ireo. “Misolo tena ny fanjakana eny ifotony sy mampandeha ny raharaham-panjakana ianareo. Mila haverina amin’ny toerana maha anareo ianareo”, hoy ihany ny Filoha. Nitakiany fahombiazana amin’ny asa izany. Resy lahatra koa ny Filoha fa manana fahavononana sy fanoloran-tena ireto mpitantana ireo. Hanampy azy ireo amin’izany ny Filoha Rajoelina Andry ka hanamora ny fampandehanan-draharaham-panjakana eny ifotony. Anisan’ny efa nataon’ny fitondram-panjakana ny fanorenana fotodrafitrasa, birao, ho azy ireo, ankoatra ireo mbola an-dalana amin’izao fotoana izao.

Fametrahana fandriampahalemana
Nanome torolalana azy ireo koa ny filoha amin’ny hiatrehana ny fifidianana ka hanampian’ireo lehiben’ny distrika sy ny préfet ny Ceni. Anisan’izany ny fampirisihana ny olom-pirenena hisoratra anaty lisi-pifidianana. Eo koa ny fitsarana mitety vohitra amin’ny fanaovana kopia sy karapanondro…
Tsiahivina fa anisan’ny asan’ireo lehiben’ny distrika ny fanamorana ny asan’ireo sampandraharaham-panjakana eny ifotony sy ny manetsika azy ireo. Eo koa ny fampanjakana ny fandriampahalemana sy ny filaminana, amin’ny maha lehiben’ny OMC azy ireo.

Synèse R.

Partager sur: