Samy manantena fifidianana madio sy mangarahara ny ankolafin-kery politika rehetra. Nanao rodobe, nanatrika ny dinika nokarakarain’ny Ceni ny Mpitondra sy ny mpanohitra.
“Zotram-pifidianana tsara omana, andraisan’ny rehetra anjara hampisy fitoniana sy filaminana no tanjona tiantsika hotratrarina amin’ny fihaonana. Hojerentsika miaraka hoe: ahoana no hahazoantsika manomana fifidianana ho avy rehetra ao anatin’ny fitoniana?”, hoy ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsène, tamin’ny fanombohana ny dinika fakan-kevitra teny Alarobia, omaly, ho fanatsarana ny zotram-pifidianana.
Mba hoeken’ny rehetra ny voka-pifidianana amin’izany, hisorohana ny savorovoro eto amin’ny firenena. Tsy hifanome tsiny na hifampitsikera fotsiny na sanatria hifanivaiva no anton’ny fihaonana, fa tena hifampihaino sy hifanakalo hevitra amim-pitoniana sy an-kitsim-po. Koa hijery ambony sy haka ambany miainga amin’ny hevitry ny tsirairay amin’izay hatao. Nefa tsy hivaona amin’ny lalàna fototra sy manaja ny soatoavina ka hisian’ny fifidianana eken’ny rehetra.
Tsy hitondra ho amin’ny fikorontanana
“Tsy isika izao indray no hitarika fikorontanana, fa mba hahay hanararaotra sy hanome lanja ny fihaonana. Ka hiady hevitra ao anatin’ny fitoniana sy fifanajana”, hoy izy. Mba ny tena tombontsoa ambonin’ny firenena no hibaiko. Samy handray ny andraikitra tandrify azy avy hisian’ ny fifampitokisana sy ny fitoniana.
Nisaorany manokana an’ireo filoham-piangonana efatra eo anivon’ny FFKM, ny filoha teo aloha isany Ravalomanana sy Rajaonarimampianina… Nisaorany koa ny avy amin’ny vondrona iraisam-pirenena na an’ny vahoaka aza ny fifidianana. Maneho izany fa tsy miolonolona irery ny Ceni, fa miaraka amin’ny vondrona iraisam-pirenena. Hitera-bokatsoa ho an’ny zotram-pifidianana sy ny firenena izany.
“Mifantoka aty amintsika rehetra ny mason’ny vahoaka malagasy, mitodika aty amintsika ny fijerin’izao tontolo izao. Manamafy izahay fa mandala ny soatoavina eo am-panatanterahana ny andraikitra nomen’ny lalàmpanorenana sy ny lalàna ho anay, indrindra ny soatoavina momba ny fahaleovantenan’ny Ceni amin’ny tsy fiandaniana”, hoy ihany izy.
Tonga nanome voninahitra ny fanombohana ny dinika ny filohan’ny Antenimiera roa tonta, ny mpikambana sasany eo anivon’ny governementa, ny filohan’ny HCC, ny mpisehatra politika, ny avy amin’ny firaisamonina sivily…
Zava-dehibe tamin’ny mpanohitra ny dinika
Anisan’ny teny an-toerana ireo avy amin’ny andrimpanjakana, ny governemanta, ny mpitondra na ny firaisamonina sivily ary ny avy amin’ny sehetra iraisam-pirenena… Nalalaka ny fanehoan-kevitra.
“Aiza no hihaonana raha tsy mandray andraikitra ny Ceni?”, hoy ohatra, ny filoha teo aloha izay filohan’ny HVM, Rajaonarimampainina. Raha misy hafatra na izay heverina ho foto-kevitra na fanakianana, anjaran’ny Ceni ny mampita izany amin’ny rafitra governemanta.
Fiaraha-mitady izay hevitra te hahasoa ny firenena. Ny fampandeferana ny hambompon’ny tsirairay ihany no antoka hampilamina ny firenena.
“Zava-dehibe ny fihaonana toy izao”, hoy ny filoha teo aloha izay filohan’ny Tim, Ravalomanana, hanatsarana ny fifidianana. Tokony hatao matetika sy maharitra ny fifampidinihana. Nangatahiny ny hamoahan’ny governemanta ny tetiandro tsy hisian’ny tebiteby hoe: hisy ihany sa tsia ny fifidianana? Nanome toky ny Ceni ry zareo fa hanentana araka izay azo atao ny olom-pirenena hisoratra anarana amin’ny lisitry ny mpifidy.
Hiroso amin’ny fifidianana
“Tsy mieritreritra ny governemanta hoe tsy hatao amin’ity taona ity ny fifidianana filohan’ny Repoblika”, hoy ny mpitondra tenin’ny governemanta, ny minisitra Ramaholimasy Pierre Holder. Ao anatin’ny fanajana tanteraka ny lalàmpanorenana ny daty. Tsy maintsy mialoha 90 andro ny fifidianana ny fanapahan-kevitry ny governemanta momba ny tetiandro sy ny antso rehetra momba izany. Noho izany, hiroso amin’ny fifidianana ny firenena.
“Ilaina ny fihaonana sy ny fifampidinihana. Isaorana ny Ceni, satria niantso fifampidinihana”, hoy ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine. Ao avokoa ny ankolafin-kery rehetra. Tanjona ny hisian’ny fifidianana madio sy mangaraha ary eken’ny rehetra. Mino sy manantena izy fa hiroso amin’izany ny fanapahan-kevitra amin’ny dinika. Tsy maintsy soritana aloha ny lalana hahazoana tonga any amin’ny fifidianana eken’ny rehetra.
R. Nd.