Fifaninanana : hisy ny “The Voice Africa”

Hiseho amin’ny fahitalavitra ny 26 marsa 2023 ny fifaninanana «The Voice Africa», fampisehoana hanehoana ny talentan’ireo tanora afrikanina. Fifaninanana tohanan’ny Airtel Africa miaraka amin’ny ”Fame Studios Africa” hanehoana ny fandaharana, hita amin’ny fahitalavitra maimaimpoana sy Airtel TV.
78 804 no efa nisoratra anarana hifaninanana, avy amin’ny firenena maro aty Afrika, anisan’izany i Ma­dagasikara. 12 308 amin’ireo no ifantenana eo amin’ny fifaninana. Ny “The Voice Africa” hampitovy amin’ny fanao maneran-tany, hanome lanja bebe kokoa ny jamba, hisafidy izay feo ankifiziny.
Maharitra 25 herinandro ny fifaninanana, indray mandeha isan-kerinandro. Ham­pirisihana ireo jamba mba handray anjara amin’ny fihainoana ny feo. “The Voice Africa”, tsy natao ho an’ny afrikanina ihany fa ho an’ny vahoaka maneran-tany , ahitana mpanentana matihanina amin’ny fahitalavitra. Matoky ny talentan’ny tanora afrikanina ny Airtel Africa, mampiroborobo ny fanabeazana, fanavaozana sy fanatanjahantena. Tamin’ny 2021, ohatra, nisy fiaraha-miasa tamin’ny Uni­cef, nanohanana 57 tapitrisa dolara ny fanabeazana.

Ndrina

Partager sur: