Hentitra ny nambaran’ny eo anivon’ny Sendikàn’ny mpitsara (SMM), amin’ny alalan’ny filohany, Andriantsihorisoa Mbitanarivo, omaly, tetsy Ankorahotra. “Takinay tsy misy fepetra sy tsy misy hatakandro ny hisintonan’ny Préfet-n’i Toamasina ny fanapahana noraisiny taorian’ny fivorian’ny OMC, tsy natrehin’ny tonia mpampanoa lalàna, manoloana ny fanapahana ara-panjakana noraisiny ny 9 marsa teo, momba ny taratasy nalefa amin’ireo vadintany miasa”, hoy izy. Narangarangany fa ho tonga amin’ny fitokonan’ny SMM izany raha mikiribiby sy miziriziry io tompon’andraiki-panjakana io. Notsiahivin’izy ireo fa manohintohina ny asa-pitsarana ny fanapahana noraisiny na niantefa amin’ny vadintany aza izany. “Mitondra sakana amin’ny fanatanterahana ny didim-pitsarana raikitra. Tsy misy maha-fitsarana ny fitsarana raha toa ka tsy misy ny fanatanterahana didim-pitsarana”, hoy izy ireo. Manaiky ny SMM amin’ny fitandroana filaminana amin’izao taom-pifidianana izao. Tsy eken’izy ireo kosa ny fanitsakitsahana ny fenitry ny tany tan-dalàna‚ tahaka izao. Nohitsin’ny SMM fa tsy manana fahefana hitsabaka amin’ny andraikitra sy asam-pitsarana ny solon-tenam-panjakana ao Toamasina. Mbola tandrifin’andraikitry ny fitsarana, eo am-pelatanan’ny tonia mpampanoa lalàna ambony sy ny tonia mpampanoa lalàna ny fantanterahana didim-pitsarana fandroahana izany.
Synèse R.