Nandray diplaomaty roa misesy ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny harena stratejika, Rakotomalala Herindrainy Olivier, omaly. Voalohany, ny masoivoho vaovaon’i Kanada, Christopher Cooter, monina atsy Afrika Atsimo. Manana ny toerany amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany maneran-tany i Kanada. Nomarihin’ity masoivoho ity fa tonga eto amintsika ny tenany, hanamafy ny fifandraisan’ny firenena roa tonta. Endriky ny fahavononan’i Kanada hanatsara ny fiaraha-miombon’antoka eo amin’ny firenena roa tonta ny fahatongany eto Madagasikara. Ao anatin’izany ny lafiny fampiofanana sy ny fampiasam-bola amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany.
Faharoa, ny masoivohon’i Iran, Hassan Ali Bakshi. Nambarany, fa fotoana nahafahana nijery ny fiaraha-miasa azo atao amin’i Madagasikara amin’ny lafiny harena an-kibon’ny tany ity fihaonana ity.
Samy naneho ny fahavononany hanamafy ny fiaraha-miasa amin’i Madagasikara ireto diplaomaty roa ireto, mba hisian’ny tombontsoa iombonana ho an’ny rehetra. Anisan’ny noresahana ny hikarohana ny fomba hanodinana ny harena an-kibon’ny tany eto an-toerana, mba hiteraka harena fanampiny. Eo koa ny fizarana traikefa. Notsipihin’ny minisitra Rakotomalala Herindrainy ny hanamafisana ny fahaiza-manaon’ny teknisian’ny minisitera tantaniny.
Njaka A.