Nampahafantarina tamin’ity herinandro ity ny tetikasa Elatra, tarihin-dRasamimanana Onjaniaina sy Randolph Jilliana. Miompana amin’ny fanohanana ny vehivavy niharan’ny herisetra mba hiverina hanana ny toerany eo anivon’ny fiarahamonina sy eo amin’ny seha-pihariana misy azy ny tetikasa.
Miisa 100 ireo vehivavy kendren’ny tetikasa hotohanana hatramin’ny faran’ity volana marsa ity. Vehivavy 400 mahery hafa kosa no ho voakasik’izany hatramin’ny volana marsa 2024.
Maintimolalin’ny Mandela Washington Fellowship for Young African Leaders (YALI MWF) 2019 Rasamimanana Onjaniaina sy Randolph Jilliana. Voafantina amin’ny programa fifanakalozana, Reciprocal Exchange 2022 ,izay mbola tafiditra ao anatin’ny YALI MWF.
Ny reciprocal Exchange dia sehatra ahafahan’ny mpandraharaha sy manampahaizana amin’ny sehatry ny indostria ary mpitarika fikambanana fiarahamonim-pirenena amerikanina, miara-miasa amin’ny maintimolalin’ny programa YALI, manerana an’i Afrika.
Tanjona ny hamolavo sy handrindra tetikasa iombonana hoan’ny tombotsoan’ny vondrom-piarahamonina amerikanina sy afrikanina.
Nanotrona izany ny mpanolontsaina lefitra misahana ny Serasera sy ny kolontsaina eto amin’ny masoivohon’i Etazonia, Elizabeth Maynard.
Tatiana